Edito

Misoko miadana


  • Zoma 30 Oktobra 2020

Misoko miadana toa tsy re tsaika akory ankehitriny ireo olana maro atrehin’ny firenena.

 

 Hita ho ezahana mba hanakona azy ireny ny nampiatoana ny hahamehana ara-pahasalamana izay efa kely sisa dia ho tapa-bolana izao. Manomboka indray ny fanapariahana hoso-baovao izay tsy hay aloha izay tena ao ambadik’izy ireny fa isan’ireo mahavariana ny saina sy mahaverivery dia ny valalabemandry tsy hahatsiaro ny fahasahiranany isan’andro. Etsy ankilany ireo mandinika sy mamakafaka ny raharaham-pirenena anefa dia toy ny mahita sy manondro amin’ny tanany mihitsy, raha atao toy ny sarisary ny filaza azy, hoe iny ilay toekarena fa mitotongana. Iny koa ilay sandam-bola fa miha torovana. Ny vahoaka Malagasy efa zatra mihafy sy nampihafiana hany ka toa mahazaka hatrany ny taingim-bozona nampisedrain’ireo mpitondra nifandimby azy. Fitiavana sisa no mampitsiriritra, hoy ny hiran’ny mpanakanto izay, fa efa niaretan’ilay “gasy kely” avokoa izao tsy fanjarian-toetran’ny ankamaroan’ireo mpitondra sy mpanao politika rehetra izao. Asa mandra-pahoviana anefa izay kiribibin’ny valalabemandry hiaritra ny tsy fahaiza-mitantana sy tsy fahaizana politika miseho lany ankehitriny izay. Ny hirariana hatrany aloha, fara faha keliny, dia ny hivahan’izany rehetra mba tsy hiverenan’ny sanatria krizy mivaivay indray. Averina hatrany fa efa maro izay soso-kevitra nifamoivoy izay na teo amin’ny resaka fanarenana ny toekarena io na ny fanarenana sosialy. Ireo sehatra miisa 2 ireo moa izany no tena mangirifiry amin’ny ankamaroan’ny vahoaka Malagasy. Ny mpandraharaha tsy afa-mihary arak’izay hiheverany azy. Mihena ny famokarana sy varotra azo atao. Mazava ho azy, mihena toy izany koa ny tombony miditra ary io no tena mampikaikaika ny maro ankehitriny satria ataony mpampiasany miantraika aminy. Efa mba mailo sy mitady vahaolana maharitra amin’izany ve ny mpitondra sa mbola mandrimandry sy manonofy hatreo amin’ny mason’izao tontolo izao hitodika aty fotsiny ihany ?

 J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT