Edito

Misoko miadana


  • Talata 26 Mey 2015

Ho an’ireo mandinika tsara ny toe-draharaha politika amin’ny saina tony dia mahatsapa hoe mitsoka mankaiza izao ny rivotra ? Misoko miadana ny Tiako I Madagasikara, hany antoko lehibe eto Madagasikara mbola mijoro sy manana ny rafitra rehetra na dia nandalo krizy nandritra ny enin-taona aza.

 


 Manan-danja goavana amin’ny fifohazan’ny TIM indray ny filoha mpanorina azy sady voafidy ho filoha nasionaly Atoa Marc Ravalomanana. Hain’ity farany mantsy ny nampihavana sy nandamina ireo mpiara-dia aminy. Tsy maintsy nisy ny tsy fifankahazoana, ny fiadiana samy ho lohany, ny fialonana, ny tsy fifampatokisana, ny fifanenjehana, saingy tsy maintsy misy foana ny vahaolana ary izay no mampiavaka ity antoko ity, ny fahaizany mikaroka vahaolana haingana ary mandamina ny raharahan-tokantranony amin’ny fomba mihaja. Hita ho kaodikaody izany ny antoko eo amin’ny fitondrana mahita ny rodorodon’ny TIM, ary na ny olon-tsotra mitazana ety ivelany aza dia milaza fa tena hanao zavatra amin’ny fifidianana ho avy eo ny zanak’i Dada. Ny olona rahateo miandry fifidianana mba hanehoany ny safidiny ka azo antoka fa hafotaka io fifidianana ben’ny tanàna io, ary io no handrefesana ny herin’ireo antoko politika eto amintsika sy efa azo hanombantombanana avy hatrany izay kandida filoham-pirenena  « favori » amin’ny 2018.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT