Edito

Miseho ny tena marina !


  • Alatsinainy 03 Jona 2019

Saika manerana ny Nosy ny fijoroan’ny olona manohitra ny zavatra hitany sy tsapany fa tsy rariny noho ny hosoka na fanatsimbadihana safidim-bahoaka.

 

 

Marina fa mety mahazo maro an’isa araka ny teniny Atoa Andry Rajoelina sy ny ekipany, saingy fandresena tsy marin-toerana tahaka ny tamin’ny fifidianana filoha. Nihena be ny mpandatsa-bato, ary rehefa halalinina, ireo nifidy ny kandidan’ny IRD ireo no heverina fa tena nifidy an-dRajoelina. Raha atao ny kajikajy, manome telo tapitrisa mahery amin’ny mpifidy 10 tapitrisa eo ny nandrotsa-bato nanerana ny Nosy. Mizara 3 ny vato amin’ny ankapobeny nanerana ny Nosy, ary tsy hitovy velively amin’ny vato azon-dRajoelina tamin’ny fifidianana filoha velively ny azon’ireo kandidany. Tsy tokony ho nisy fiovana be io raha ny lojika kokoa ho azy ireo fa ny mpifidy ny TIM na ny tsy miankina no tsy mahagaga raha nihena satria kivy tamin’ny hosoka sy hala-bato, ary io fa mbola miseho tokoa. Toa miseho ny tena marina, ary voaporofo ihany koa, nanomboka tany amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna sy ireo fifidianana rehetra nandeha fa tsy Antananarivo velively no nanongana an-dRavalomanana. Ny any amin’ny Faritra izay natao fitaovana efa manomboka mitroatra toa an’Ambilobe, izay nidinan’ny filoha matetika saingy mijoro sy manohitra ny fampandaniana amboletra ny olon-dRajoelina. Mandady ny trambo.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT