Miseho daholo

Miseho daholo ankehitriny ity karazan-tranga


  • Zoma 12 Janoary 2024

tsy mbola fahita tao anatin’ny 60 taona teto amin’ity firenena ity.

Tsy hay hoe tokony hihomehy ve sa halahelo raha maheno izany hoe hatramina manam-boninahitra maromaro eo anivon’ny tafika no voalaza fa nahavita nanodina fanomezana noho ny fahatongavan’ny taom-baovao na asaramanitra izany? Raha tononina amin’ny fomba malagasy izany dia hoe hatramin’ny solombodiakoho sy ny solom-pen’akoho no tratran’izany amin’izao fotoana izao eto amin’ity firenena ity. Hikorontana indray, hoy ny JIRAMA izao omaly, ny famatsian-drano amina tanàna miisa 40 eto an-drenivohitra sy Atsimondrano. Misy fokontany efa zary ho mitady ho vita vakisiny amin’izany ao kanefa dia mbola voatonona tao anatiny tao indray. Hatramin’ny taona 2018 no efa nampanantena ny filoham-pirenena fa ho foanana amin’izay ity olan’ny JIRAMA ity. Na resaka rano io na herinaratra. Io iaraha-mahita io anefa ny zava-misy hatraty amin’ny taona 2024. Tonga amin’ilay tononkirana tarika amerikanina ACDC, izay nalaza tamin’ny taona 1980 izay hoe “Back in black” na koa hoe miverina amin’ny haizina raha atao dika malalaka. Miparitaka sy misavovona ny fako. Manodidina ny 515 isa ireo olona voakasika tamina raharaha fanolanana tamin’iny taona 2023 iny ary mandra-piandry ny fampiharana ilay lalàna mikasika izany nambaran’ny filoham-pirenena moa izany dia ireny mbola henontsika saika isan’andro ireny fa mbola misy ireo sahy manao izany heloka izany hatrany. Aza indray izay tranga vaovao hiseho amin’ity anio ity fa dia tena miseho daholo aloha ity tranga hafahafa rehetra ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT