Edito

Miseho ara-bakiteny hatrany


  • Alakamisy 28 Oktobra 2021

Nandeha teo ny fitokonana samihafa, isan-karazany, nitombo isan’andro sy nitohivakana. Niakatra hatrany ny maripana teny anivon’ireo sampandraharaha samihafa ary mbola tsy maty tanteraka hatramin’izao moa ny afo

 nirehitra, araka ny fomba fiteny, tao anatin’ireny fihetsiketsehana ireny. Niseho ara-bakiteny izay firehetan’ny afo teto amin’ny firenena izay ary nahagaga fa niara-dalana tamin’ireo fitokonana mamaivay maro niseho ireo izany. May I Ankarafantsika. Nitrangana fahamaizana 800 tafo be izao koa tany Farafangana. Toy izany ny amorona vakom-pirenena samihafa toy ireo manamorona rova sy ny hafa rehetra. Niseho ara-bakiteny fa niakatra ny afo teto amin’ny firenena noho ny hatezeran’ireo vahoaka mahatsiaro noana izay tsy nomena ny zony ara-potoana fa mbola nahazo vavabe tamin’ny mpitondrany indray. Mbola miseho ara-bakiteny hatrany koa amin’izao fotoana izao ny fahamaizinan’ny lalan-kombana ahafahan’ity firenena ity mivoaka anaty fahantrana. Maizina sahady toy ny afitsoky ny jiro tapaka isan’andro izay tsy voafehin’ny orinasa Jiro sy rano Malagasy ankehitriny ny tohin’ny raharaham-pirenena. Ifandroritana izay hisolo tena ny mpanao gazety ho ao anatin’ny vaomiera lazaina fa mahaleontena hisahana ny fifidianana. Misy tsy mankato koa izay lany hisolo tena ireo solombavambahoaka ao anatin’izany. Raha “doublon” teo no nalaza dia ho avy indray angamba ny “triplon” sy ny “quadriplon”, hoy ireo mpivazivazy. Herintaona mahery kely tsy ahatongavan’ny taona 2023 dia efa higagana sahady ny ady seza eto amin’ity firenena ity. Nalaza ho niady an-trano teo ny samy TIM na samy mpitondra sy samy mpanohitra. Nisehoana tranga maneho ny toy izany koa raha ny hita omaly ry zareo nankalaza tamin’ny fotoana andro ilay fehezanteny hoe “mangamanga ny sary”. Tsy misy hita miraharaha firy ilay vahoaka miha mitrongy vao homana isan’andro intsony fa dia samy efa manomana ny 2023 izany ny mambam-pahefana rehetra. Samy hafa ny tontolony ny mpitondra sy ny vahoaka, hoy ilay antoko politika iray izay, ary misy elanelana be eo amin’ny roa tonta. Misy anefa ilay fomba fitenenana iray izay hoe “Izay mamafy elanelana dia hijinja fanadinoana.”
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT