Edito

Misavovoamboana mandavan-taona


  • Zoma 14 Oktobra 2022

Miroso hatrany mankany amin’ny fiainam-pirenena manjavozavo i Madagasikara. Miha milentika hatrany kanefa, mbola miharihary hatrany ny finiavana politika mbola hanao izay fomba rehetra hitazonana fahefana ho an’ny

mpitondra tsy misy hatokona. Mampiana vahoaka amin’ny politika tsy ambony tsy ambany tahaka ny lohalik’alika, ka tsy fantatra intsony izay tena tiana hahatongavana fa toa miainga amin’ny kisendrasendra eny, ary fahazarana ny mampanantena izatsy sy zaroa rehefa vory olona satria tsy mahazaka mahita vahoaka mitangorona. Japiana amin’ny politika izay mety ahafahana manao izany, hany ka izay lalovany toa diso fanantenana avokoa. Hanamboatra kianja ho an’ny mpanao rugby fa nahomby, tafiakatra tamin’ny fiadiana izay ho tompondaka eran-tany kanefa ny saran-dalàna sy saram-pivahianana aza nialana ilany. Milaza hanangana ivon-toerana na kianja mitafo goavana ho an’ny fanatanjahantena satria handray ny nosy kanefa vola hanomanan’ny mpilalao tena aza toa mbola baraingo,… Ventesina izao rehetra izao, fa ny vokatra aloha tsy hita izay eo. Ao anatin’ny 4 taona mahery no hanaovana toeram-pitsangatsanganana kely iray any Toamasina, izay tsy mbola vita akory no nosokafana hisomparana sy hisintonana ny olona tsy ho liana sy tsy hiatrika ny fihaonamben’ny Antoko iray avy amin’ny mpanohitra. Asa mby aiza ilay orinasa Gasycar, nutriset, famokarana etanola, ozinina fanodinana simenitra,… ho an’ny somary ezaka antenantenany. Ny teleferika, autoroute, tanamasoandro,… tsy tena hitan’ny karatra fa tsy misy vola. Ny fifehezana ny toekarena tsy misy politika mazava, ny fiainam-bahoaka tsy misy fijerena, ny vidim-piainana miha midangana hatrany. Dia mbola misy manam-pahefana sahy miteny fa tsy handroso intsony I Madagasikara rehefa tsy handroso amin’izao fitondran’ny Filoha Rajoelina izao, kanefa politikam-pirenena sy programa mazava aza tsy misy, fa misavoamboana mandavan-taona. Raha izany, inona no mampifori-drambo amin’ny hetsika politika ataon’ny mpanohitra etsy sy eroa raha tena mahatsapa fa mbola sitraky ny vahoaka? Inona no hanaovana kajikajy ara-pifidianana, raha mahatoky ny asa fampandrosoana natao? Inona no ianteherana lava amin’ny manam-basy eo? Asa hoe: haodina amin’ny lainga sy fitaka hatrany ny firenena sy ny vahoaka Malagasy ka hosokajiana ho bado mandrakariva?
Toky R 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT