Edito

Misavorovoro sy savorovoroina


  • Zoma 26 Martsa 2021

Miverina misavorovoro indray ankehitriny ny sain’ny vahoaka Malagasy manoloana

 

 

 ity trangam-pahafatesana olobe teo amin’ny tantaram-pirenena nialoha lalana izay malaza ho lavon’ilay valanaretina amin’ny endriny samihafa ity. Savorovoroin’ireo vaovao tsy mitombona sasany mitovitovy amin’izany ihany izay misy maika ny hanaparitaka amin’ireo tambazotra mora mielim-pantrana eto amin’ny firenena koa anefa. Tsy mbola maka lesona amin’ny lasa ny fitondram-panjakana ary tsy vitsy ireo nahatsapa fa na dia ny fiverenan’ny filoham-pirenena nanome fotoana ny mpiray tanindrazana teo anoloan’ny fahitalavim-pirenena ny sabotsy teo, toy izay efa fanaony isaky ny amin’ny 8 ora alina tamin’ny taon-dasa indray aza dia efa ampy nampiverina indray ny rarintsaina sy horohorontsaina mihitsy teo amin’ny sasany amin’ireo mpanara-baovao, indrindra moa fa ireo aorian’izay mbola maheno honohono sy tsaho. Teraka ho azy indray ny tahotra mety isany ampy hampihena ny hery fiarovan’ny maro. Mampahatsiahy ao anaty fonon-teny ny nambaran’ilay solombavambahoaka omaly iray izay hoe tsy ny fisian’ny mpijery marobe ho avela hiditra ao Barikadimy amin’ny talata akory no hampandresy ny Barea fa mety vao miha ho resy aza izy raha izany no atao eo satria hahatsiaro hisy tsindry na tahotra dia tsy tena hifantoka amin’ny lalao ataony. Rehefa milaza koa ny fitondram-panjakana fa tsy azo atao ny mamory olona mihoatra ny 200 isa dia mba matotra amin’ny teny atao fa tsy hoe rehefa Barea dia atao 1500 isa indray. Tsetsatsetsa tsy aritra izay fa entina ilazana ihany koa hoe zava-doza ho an’ny fiarahamonina io tahotra sy fampitahorana na atao mivantana na an-kolaka. Tsy sarotra ny manentana amin’ny fomba tsotra ny olom-pirenena hoe miarova tena, hajao ny fepetra ara-pahasalamana, miezaha manampy hery fiarovana amin’ny alalan’ny faherezana mihinana voankazo sy legioma ary ny fanaovana raokandro isan-karazany toy ny evoka sy ny sisa.

 J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT