Edito

Misavorovoro indray


  • Alarobia 15 Aprily 2015

Tsy misy izany fikasana hanome ny sehatra tsy miankina ny fitantanana ny Jirama izany hoy ny minisitry ny angovo , hita ihany koa ny marimaritra iraisana teo amin’ny mpiasan’ny Jirama sy ireo mpitantana na dia mbola misy ihany aza ny ahiahy tsy hihavanana.tantara mbola mitohy kosa ny eny amin’ny Adema eny, asa izay ho fisehony.

 

Nahitsy toraka ny filoha teo aloha Ravalomanana ary nilaza mihitsy fa mandainga ny fitondram-panjakana, feno ny kapoaka ho an’ity filoha teo aloha ity ka nisafidy ny hisitaka amin’ny fampihavanam-pirenen’ny FFKM aloha izy sy ireo mpiara-dia aminy.Mbola ho tadiavina ny ampaham-bola hanaovana ny fifidianana, andrasana izay tena isan’ny mpanolotsaina marina amin’ny kaominina isanisany satria mbola tsy nivoaka io ; toa misy tsy fifankazahoan-kevitra izany eo amin’ny samy mpitondra fanjakana.Misimisy ihany koa ny fitokonana sendikaly efa manangasanga !Izany no toe-draharaha misy ankehitriny, ka asa hoe mbola azo eritreretina ihany ve ny hahatontosan’ny fifidianana ben’ny tanàna amin’ny 31 jolay ? Toa manomboka mikorontana ambony ambany indray mantsy ilay raharaham-pirenena ary tsy tena azo antoka fa hahita vahaolana haingana amin’azy io ny mpitondra, ka dia asa indray izay hiafarantsika eto amin’ity taona ity e !

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT