Edito

Misavoritaka ny fanjakana !


  • Alatsinainy 05 Martsa 2018

Niteraka savorovoro teto amin’ny firenena sy teo amin’ny samy mpitondra ny fanambaran’ny minisitry ny raharaham-bahiny sady lehiben’ny diplomasia Malagasy momba ny datim-pifidianana.


 Nikorapaka  ny fitondrana nandiso iny nambarany iny, saingy na inona na inona aloha fanazavana sy famonoana afo, dia efa voarain’ny rehetra iny vaovao niainga tany an-dafin’ny riaka iny. Mazava izao hoe mikorontana tanteraka ny fitondrana, ary tsy mitovy hevitra sy toa mifamingana sy tsy afaka mifampifehy intsony ny fanjakana HVM. Mampiova zavatra sy manimba ny mety ho kajin’ny mpitondra iny fanambran’ny minisitry ny raharaham-bahiny momba ny datim-pifidianana iny, ka tsy hay izay ho fiovan’ny toe-draharaham-pirenena ato ho ato. Efa rano raraka aloha ireny na inona na inona mety ho fikotrehana fanovan-javatra momba ny raharaham-pirenena indrindra momba io zotram-pifidianana io. Hatry ny ela no niandrasan’ny herivelona maro momba io datim-pifidianana io, saingy niezaka nampitony ny toe-draharaha ny mpitondra fanjakana, fa fanehoan-kevitra sy vinavina ihany ny an’ny minisitra. Mbola porofon’ny hakanosana sy ny tsy fahatokisan-tena hatrany ve ka tsy sahy milaza ny tena marina ? Efa fahasahiana lehibe sy tokony hahatonga saina ny rehetra iny fanambaran’ny minisitra iray iny. Maharomotra ny tandapa sy ny mpitondra sasany ihany koa, ka dia andrasana ny tena marina ao anatin’ity tantara ity !

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT