Edito

Misavoritaka ambony ambany


  • Alakamisy 08 Febroary 2018

Ny olana eo tsy milamina ny eo misosoka ihany noho ny tsy fahafehezan’ny HVM ny fanjakana. Mamy anefa ny mitsetsitra ny harem-pirenena eo ka dia mifikitra mafy.

Nangingina aloha ilay resaka Houcine Arfa sy ny ampamoaka momba ny 70 000Euros, izay toa havily lalana mihitsy ny fomba fijerin’ny maro, ka handeha indray, hono, ny fitsarana eto an-toerana. Inoana aloha fa mety tsy hisy resaka ny momban’ilay ampamoaka. Vaky indray ny koa resaka fanesorana an-kolaka ny praiminisitra, porofon’ny fisavoritahana hafa koa, ka ny vahoaka aza sanganehana hoe inona ihany ity ? Na ezahina hafenina aza dia efa karazan’ny vaky am-batolampy ny sakoroka. Nipoaka indray ity ny resaka sora-bola midangana mombana tsenam-panjakana, heverina ho mariky ny kolikoly sy fandrobana an-kolaka ny volam-panjakana, izay mampiroaroa saina ny besinimaro na marina na diso. Manamaimbo tanteraka ny fanjakana efa malaza ratsy foana anefa izany. Ny tena loza dia mbola manam-potoana hanaovana antsojay politika sy hamotehana ny hafa hatrany. Toa fanjakana efa lany henatra tanteraka, ka tsy te hiraharaha izay vavam-bahoaka any intsony. Na ny eto an-toerana na ny any ivelany efa tena manome lamosina, saingy tsy mba tonga saina sy tsy mahalala onona. Sady tsy mahay manaja tena no tsy mahay manaja vahoaka e ! Marina mafy tsy hahavita handripaka olona hampanaiky azy hitantana an’i  Madagasikara hatrany atsy ho atsy raha io fitiavan-tseza sy fitiavam-pahefana mameno ny aty fanahy io ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT