Edito

Misavoritaka


  • Zoma 26 Febroary 2016

Mampitolagaga mihitsy ny tsy firaharahian’ny mpitondra fanjakana amin’izao fotoana ny fahasahiranana sy ny tsy fisian’ny fitoniana eto amin’ny firenena ;


 mbola kabary sy fampanantenana ihany no atao betsaka, tsy misy ny vahaolana tena mahomby anefa.Tsy takatry ny sain’ireo manampahefana ve fa zava-doza anie ity firongatry ny fitsaram-bahoaka ity e.Midika izany fa tsy mahatoky ny fanjakana sy ny mpitandro filaminana ary ny fitsarana intsony ny olona ; ny herisetra mitranga etsy sy eroa, tsatok’antsy, fitetitetehana olona, fanolanana zaza tsy ampy taona, fanariana zaza menavava, ambalavelona, zanaka mahavita mamono mahafaty ray aman-dreny.Savoritaka any anivon’ny fiaraha-monina sy eo amin’ny fitantanana ary any amin’ny fanaovana politika .Areti-mandoza hamotika ny fiaraha-monina izany ary hanimba ity firenena ity, fa dia tsy hita ihany izay vahaolana azo tsapain-tanana ataon’ny mpitondra e !Tsy voakarakara ny vahoaka, hananganana ady ny mpandraharaha, sa tena ny hisian’ny ady an-trano mihitsy ve sanatria no ketrehana eto ?

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT