Edito

Misavoritaka


  • Zoma 12 Jona 2015

Hazakazaka arahin-tosika ny asan’ireo mpanolotsaina ambony eny amin’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana. Tena miankina amin’izy ireo tokoa mantsy ny ho tohin’ny raharaham-pirenena.

 

Ny fahitana ny zava-misy amin’izao fotoana dia savorovoro ara-panehoan-kevitra no misy mialoha ny hivoahan’ny didin’ny HCC. Somary mampanahy ihany noho izany izay mety hitranga aoriana. Efa tena tafiditra ao anatina krizy iray vaovao indray isika eto Madagasikara ankehitriny satria ny any amin’ny faratampony amin’ny fitantanana ny firenena mihitsy no mikatso noho ilay fifandirana eo amin’ny filoham-pirenena sy ireo solombavambahoaka. Niteraka fisamatsamahana eny amin’ny fiarahamonina izy io, mbola vao miha manampy trotraka izany ny paikady politika avo lenta, izay manararaotra ny zava-misy na efa nanomana mialoha izao fisavoritahana rehetra izao fa mba mody manao sinema fotsiny aloha. Voahoso-potaka indray ilay ezaka fampihavanam-pirenena notarihan’ny FFKM ary tena miverina « zéro » araka ny fomba fiteny izao ilay fampihavanana, ady indray izao no misy eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Tsy ny vahoaka akory no miady fa ireo mpanao politika tia tena no mampiady sy manakorontana.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT