Edito

Misavoamboana !


  • Sabotsy 17 Jona 2017

Tsy misy sori-dalana sy paikady ary tanjona mazava intsony ny fitantanana ny firenena fa mandeha ho azy.


Mbola minia be hampom-po sy midingin-drambo ho mahavita azy ny fanjakana Rajaonarimampianina. Potika sy rotiky ny fahantrana lalina ny vahoaka Malagasy, saingy voadainga no foto-tsakafony avy any amin’ny mpitondra, hoy ilay mpanakanto iray. Hampanantenaina fiadanana lava izao saingy hevitra misavoamboana sy fampandriana adrisa ary vahaolana tandrametaka no misy fa izay tena hamaha ny olana dia lavitry ny kitay ny afo. Ny vahoaka indray aza no omena tsiny manoloana ny fahalemen’ny fanjakana sy ny tsy fahaizana tsotr’izao. Aiza tokoa moa no ahitana fahombiazana raha ny olona heverina ho lehibe sy mendrika hololohavina eto amin’ny firenena no mbola mirehareha amin’ny sezany sy ny toerany na dia efa fanta-poko fanta-pirenena fa tompondakan’ny fanodinkondinana volam-bahoaka ? Ireo antenaina mba hisolotena ny maro voavidiny, ka mangina sy mbola midokadoka sy misolelaka no anton-draharaha sitrany ahay mba mahazo tombontsoa, ka na hivarontan-tena sy hananan-tsiny amin’ny vahoaka aza tsy olana. Lasa tarigetra ny hoe aleo halam-bahoaka, toy izay halan’andriana.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT