« Raha misy manome zavatra ho anao, kingà miteny hoe misaotra tompoko ! », hoy ny tsianjerin’ny ankizy sy ny zaza.
Raikitra ity ny propangandy ! Misy mandika azy ho fampielezankevitra koa. Eto izany vao tena mipetraka ny fanontaniana hoe hevitra tokoa ve no haely sa zavatra hafa ? Ny tsikaritra omaly aloha dia hita ho saika miramirana daholo ny tavan’ny ankamaroan’ireo mpiara-monina ary toy ny takon’ity fety hafakely haharitra 1 volana ity ny ankamaroan’ireo adin-tsaina sy adim-piainana maro isan-karazany vokatry ny fiakaran’ny vidin-tsolika mipaka amin’ny vidin’entana eny an-tsena. Mba hihena vetivety indray izany, enga anie, ireo hala-botry sy tsy fandriampahalemana marolafy satria hanome asa an-tselika ireo “malala-tanana mandalo”. Na dia tsy hay aza izay tena ao an-dohan’izy ireo, mety ho fanaovana ny madinika ho tohatra fiakarana ihany, saingy ny iriana moa dia hoe enga anie mba tsy ho izany. Mety ho tena finiavana hanarina ity firenena ity marina koa anefa, iza no afaka hamaky ny ao an-dohan’izy ireo ? Mba tsy hisian’ny fiangarana sy ny fanadinoana fotsiny dia aleo samy tolorana fisaorana daholo satria nanome. Na vokatry ny fo ny fanomezany na tsia dia mahasambatra hatrany, hono, izany ka dia heverina fa mendrika azy ireo hatrany ny miteny hoe “misaotra tompoko !”. Ny mahavelombolo aza dia hoe mitaky ny hihemoran’ny fifidianana indray ny antsasa-manilan’izy ireo na dia sady manatontosa ny “fampielezankeviny” ihany aza. Mety mbola hihemotra indray izany ilay fifidianana raha tafita ny tolon’izy ireo ary hiitatra ilay fety natao haharitra 1 volana ka dia andeha hohamafisina hatrany hoe “misaotra tompoko !”
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.