Vazivazy zarintenany sendra nandalo tao anaty tambajotran-tserasera iray ny hoe “Mandray roa toy ny vava ; hilelalelana maha lasa minisitra.
Hamalanan-kira mampody mandry.” Izany, hono, no ohabolana vaovao amin’izao taona 2019 izao. Tsetsatsetsa tsy aritra koa anefa izay hidirana amin’ny fanazavana ankapobeny ny zava-mitranga eto amin’ny firenena ankehitriny. Natsiro ireo kabary isan-karazany nisantarana izao volana janoary izao. Anisan’ny teny nafonja, ohatra, ny hoe “Miova ny fomba fanaovana politika eto Madagasikara.” Nahafinaritra ny maro koa ny fihetsik’ireo kandida roalahy izay nifandray tanana teny amin’ny HCC ny 8 janoary 2019. Dia ho sanatria hijanona ho teny am-bava na fihetsika ivelany fotsiny daholo ve ireny ? Ny ampitso no hamaly azy. Ny zava-misy manahirana ny mieritreritra azy ankehitriny aloha dia ny hoe hisy minisitera sasantsasany sahady indray izany izao mety ahiana hanao izay tsy ahavanona ny fitohizan’asan’ny mpitantana nodimbiasiny na ilay antsoina hoe “continuité de l’Etat”. Handiso ilay fehezanteny nahavelom-bolo niresaka fiovana teo io, raha toa ka tanteraka, toy ilay tsy nanatanterahana ny fifampifandanjana ny isan’ny lahy sy vavy ao anaty governemanta. Hikorontana an-tenantenany indray ve izany, sanatria, ny fiatrehan’ireo kilonga madinika ny fianarany ? Mbola hiverenana hodinihina mantsy, hono, ny fahafahana manatanteraka na tsia ilay praograman’ny teo aloha. Hisaorana aloha ilay minisitra iray hafa izay mampiseho sahady fa hay mba mataho-tody ihany. Enga anie mba ho zokibe teo amin’ny sehatra nahatafita azy ka ho filamatra amin’ny fandanjalanjana ny teny mivoaka ny vava sy ny soratra aeliny amin’izay izy raha nampilaza mialoha iny fampitandremana iray iny. Mba hitovy ny onjam-peo sy ny tambajotran-tserasera fa tsy ho tonga amin’ilay hanihany iray izay hoe ; “Hay moa ny tambazotran-tserasera tsy radio!”. Misaotra azy mataho-tody. Dia mba ho rakotra teny soa sy mahasoa lalandava tokoa anie ireo tambazotran-tserasera sy haino aman-jery eto amin’ity Madagasikara ity. Mba ho toy ny nofy ireny filohan’ny antenimierandoholona sorena fahiny noho ny zava-boasoran’ny haino aman-jery notantanin’ny minisitra vaovao ireny.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.