Edito

Misangy loza, mpitari-bato vilam-bava


  • Zoma 20 Martsa 2020

Hendratrendra be ihany ny fanjakana Malagasy eo anatrehan’ny toe-draharaha iainan’ny firenena ankehitriny. Mampiaka-peo, mibetroka, mandrahona eo anatrehan’ny zavatra mety manohintohina azy. Isan’ny iompanan’izany ity raharaha Coronavirus ity, niantsoan’ny filoha fiombonana sy fiaraha-mientana rahateo.

 

 Maro ny resaka mandeha manakorontan-tsaina ny olom-pirenena, toy ny filazan’ny olona sasany fa efa eto ny valanaretina coronavirus. Tsy mitsitsy ny fanjakana eo anatrehan’ny fanakorontanana saim-bahoaka. Na izany aza, tena mba mifanaraka sy manome antoka ny vahoaka ve ny fihetsiky ny mpitondra ? Toa manao mpitari-bato vilam-bava, ka hafa no lazain’ny vava, hafa no tondroin’ny molotra. Maro loatra ny zavatra mampiahy, be loatra ny toa endrika tsirambina,… Tsy resahina intsony ny momba ireo olona avy tany Lafrantsa navela nody malalaka. Na nambara aza fa arahi-maso ara-pahasalamana, dia tena nisy ny nivoaka an-kahalalahana sy nifanerasera tamin’ny sarambabem-bahoaka. Isan’ny miteraka adihevitra, ohatra, ny mbola fahatongavana sinoa maro teto Madagasikara omaly. Toa hamoramoraina sy ambara fa manaja ny toromarika rehetra. Ny ahiahy anefa tsy hihavanana, ka lojika be ny olona raha tora-kovitra hoe : ahoana ireto sinoa efa ho 40 isa ireto ? Tany aloha no efa nisy resaka nalaza hoe : sinoa vahin’ny filoha, ka dia tsy nalefa nitoka-monina teny amin’ny Hopitaly manara-penitra eny Anosiala. Ho loza amin’atambo io raha sanatria ka tafiditra eto, saingy toa ny fanjakana indray no mamohehitra. Ekena fa fanamby ny hamitana ny kianja Barea hatramin’ny volana jona saingy izany ve no ambony noho ny ain’ny Malagasy? Taloha dia nakana fom-bahoaka ny hoe: hazavana sa antenimierandoholona dia aleo indray isika no hanontany hoe: kianja sa fahasalamam-bahoaka? Tsy sanatria manamaivana fa ampahafirin’ny zavatra nampanantenaina tsy tanteraka izany, ka sao lahy ny zavatra mety azo hampandeferina no hampidi-doza ny firenena? Ankinina amin’ny avo mba tsy ho tafiditra eto io areti-mandripaka io, fa raha sanatria izany no miseho eto, dia tsy ho afa-bela hatramin’ny fitondram-panjakana. Mety ho kihon-dàlana hampikoa tanteraka ny fahefana efa tsy marin-toerana. Ny hamisavisana ny ratsy anefa hiavian’ny soa, fa ny zava-dehibe dia tokony samy ho mailo, tena hiara-hientana sy hiady mafy, fa tsy ho kobaka am-bava ny fifampitsinjovana eo anatrehan’ny loza mananontanina ny firenena.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT