Edito

Misamboaravoara !


  • Alakamisy 19 Martsa 2015

Mandalo kely eto Antananarivo indray ny filohan’ny tetezamita teo aloha, ary totoafo ny fivoriana notarihany omaly, mandrafitra ny paikady politikany ho fiatrehana ny fivoaran’ny toe-draharahan’ny ankolafy Rajoelina, izay manao fihetsika mpanohitra hatramin’izao aloha. Misamboaravoara be ny sehatra politika

 eto amintsika amin’izao fotoana ary efa tena ratsy endrika eo imason’ny maro ny fitondram-panjakana, herintaona monja taorian’ny nijoroany. Tsy mahatoky azy, diso fanantenana aminy ny vahoaka, tsy resy lahatra aminy ny sehatra iraisam-pirenena. Samy miketrika izay fomba famindra vaovao hatao noho izany ireo ankolafin-kery politika. Ilay fihetsiky ny antokon’ny fitondrana no tena mahasosotra ny olona satria mibaribary be mihitsy ny fanararaotam-pahefana, tahaka ny hoe tsy manana paikady novolavolaina hanaovana politika afa-tsy ny fahefana eo am-pelatanany ny HVM. Manomboka hita taratra ankehitriny fa te handeha irery ity antokon’ny fitondrana ity ary tsy te hiaraka hitantana izany. Efa notsipahany ny Mapar, mbola gejainy sy gadrainy amin’ny fomba mihaja i Marc Ravalomanana…ka asa izay mety ho fihetsik’ireto farany. Mila mandinika tsara ny filoham-pirenena satria tena ho sarotra aminy ny hitantana raha toa ka mijoro ho mpanohitra azy ny Mapar sy ny ankolafy Ravalomanana, izay tombanan’ny maro fa ho mpifanadrina fototra amin’ny fifidianana filoham-pirenena manaraka eo.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT