Mbola misy fanantenana ihany ve amin’ny ahitana vahaolana iombonana sy eken’ny rehetra ka hivoahana amin’ny krizy ?
Izay indray izao no adihevitra etsy sy eroa manoloana ny ambaran’ireo mpanao politika izay samy mieritreritra fa manana ny marina. Fihaonana fiala nenina no niantsoana ilay tamin’ny 20 mey nataon’ireo filoha ao amin’ny Sadc tany Windhoek Namibia. Tsy hita anefa izay tena fanapahan-kevitra matotra nivoaka tao fa dia niverina tahaka ny taloha ihany ny zava-drehetra, dia ny fampihaonana indray ireo lehiben’ankolafy politika. Dia nambara fa io fihaonana any Gaborone, afaka andro vitsivitsy, io indray no tena izy ka hamoahana vahaolana hialana amin’ny krizy. Tahaka ny efa manomana ny sain’ny olona ihany anefa ny filohan’ny FAT, Andry Rajoelina raha ny kabariny tany Analavory ny faran’ny herinandro teo fa na ahoana na ahoana mety ho fitrangan’ny raharaha dia tsy maintsy manohy ny lalany ny fitondrany. Ny tanjona antenantenan’ezaka izao dia ny fanatanterahana fifidianana. Tsy mazoto hatry ny ela ny hifampiraharaha amin’ny Ankolafy 3 ny Ankolafy Rajoelina fa te hitondra samirery ny firenena, ary raha ny fahitan’ny maro azy dia mitady hirika tsy hahatanteraka ny tena fifanatrehana sy fifanazavana eo amin’ny andaniny sy ny ankilany ny FAT. Araka ny resaka mandeha izay efa notaterina teto ihany dia misy mampanantena volabe any ambadibadika any i Andry Rajoelina ka tsy dia miraika firy intsony amin’ny Sadc sy ny vondrona Afrikanina. Ny Frantsay rahateo amin’ny alalan’ny COI sy ny OIF dia manohana ny fitondrana tetezamita na dia tsy manambara izany amin’ny fomba ofisialy aza. Ireo mpanao politika moa dia tena an-kavitsiana no tena tia tanindrazana fa dia ny ady seza no mibahana ao an-tsain’izy ireo, koa ny mpinamana omaly mety lasa mpifahavalo anio ary ireo nifanenjika an-taonany maro kosa dia mifandray tanana sy miara-miasa akaiky satria misy kopaka isasahana angamba ao.
Mbola hitohy amin’ity herinandro ity ny fihaonana amin’ireo mpanao politika izay maniry ny ho any Gaborone ka handroso soso-kevitra. Ho fantatra tsy ho ela ihany koa ny lisitr’ireo hanatrika io fivoriana io, izay araka ny vaovao farany dia haharitra roa na telo andro. Tsy marina izany ny filazana fa sonia sisa no atao any. Raha sonia mantsy dia iray andro ihany dia ampy. Misafotofoto tanteraka, araka izany, ny raharaham-pirenena na dia tsy misy isan’andro aza ny fipoahana baomba mandatsa-dranomaso. Efa tena resaka ambony latabatra henjana be no misy amin’izao fotoana ary samy miasa mangina any ambadika any ireo ankolafy politika mba hahazo rariny manoloana ny sehatra iraisam-pirenena. Ity farany anefa dia mitaky ny fiaraha-mitantana izay vao hamerina ny fanampiana. Re tsiliantsofina fa tsy hanasonia ny sori-dalana ny anoklafy Rajoelina raha misy andininy iray monja ahitsy na ovaina. Ny Ankolafy 3 koa anefa manitrikitrika fa mitongilana iny sori-dalana narafitry ny Dr Leonardo Simao iny ka tsy maintsy ovaina. Koa iza ary no handefitra ? Misy mpanelanelana afaka mandravona izany hevitra mifanipaka izany ve sa dia hiandry eto foana mandra-piovan’ny mpanao politika ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.