Edito

Miroso anaty olana


  • Zoma 05 Novambra 2021

Nitsoaka ny rivotra sosialista nanomboka tany amin’ny repoblika voalohany saingy noho ny faharavana maro nisy teto amin’ny firenena taorian’ny fanjanahantany moa dia tsy nahatafavoaka antsika tao anaty fahasahiranana izany.

 Faharavana teo amin’ny lafiny kolontsaina, toetsaina, eny, maha izy azy izany Madagasikara izany mihitsy teo no mbola tsy tafarina ary isan’ny mbola vavolombelon’ny tantara tamin’ny fotoan’androny ny fireharehan’ireo mahay, na dia voambolana vitsy, teny frantsay aza hoe “mahay teny vazaha”. Nitsoaka indray moa taorian’izany ny rivotra kaominista nentin’ny sinoa sy ny sovietika ary dia niezaka nanara-drenirano izany koa isika. Notsarovana omaly iny ny daty nahaterahan’ny tompon’ny paradisa sosialista satria mbola niara-dalana tamin’ireo firehana voalaza teo ireo hatrany ny sosialisma nezahana ho tamin’ny endrik’izany Didier Ratsiraka na “Deba” izany teo anelanelan’ny taona 1975-1991. Saika noezahana narahana teto daholo ny rivotra politika rehetra nitsoaka arakaraky ny vanim-potoana teto amin’ity izao tontolo izao ity saingy raha nanasokajiana ny firenena tsirairay avy ny hoe firenena mahantra, ny an-dalam-pandrosoana, ny firenena mandroso ary ireo firenena matanjaka dia tsy nety tafavoaka tao anatin’izany atao hoe firenena mahantra izany mihitsy isika. Tsy naharesy lahatra ny filazana hoe firenena an-dalam-pandrosoana fa dia nisy nanao vazivazy zaritenany hoe an-dalam-pihemorana aza. Inona tokoa anefa no zava-misy ankehitriny? Mitsoaka indray izao ny rivotry ny fanenjehana ny ho lasa firenena misandratra na hoe “pays émergeant”. Te hitondra izany fisandratana na hoe “émergence” izany mafy ny fitondrana ankehitriny saingy raha ny firosoana amin’izay fisandratana izay no novoiziny hatramin’ny nametrahany teo amin’ny fitondrana ny kandidany Hery Rajaonarimampianina hatramin’ny taona 2015 dia miroso anaty olana fa tsy izay vahaolana na hoe fisandratana izay akory isika izao. Miitatra ny olan’ny orinasam-panjakana satria tsy vitan’ny hoe miha mikatso hatrany ny raharaham-panjakana fa mbola tsy voakarakara araka ny tokony ho izy koa ireo mpiasam-panjakana mba tsy hilazana hoe miha mijaly. Manana safidy anefa moa ny mpitondra na hanokatra ny masony sy ny sofiny hihaino sy hijery ireo fanehoan-kevitra ivelan’ny fitondrany na hiziriziry amin’ny vahaolana diso sy miroso anaty olana hatrany!

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT