Nifampidera taim-by ny mpitondra sy ny mpanohitra ny sabotsy teo amin’ny fahazakana olona, saingy niteny ho azy ny karatra. Raha nambara fa ben’ny tanàna an’arivony sy vahoaka an’aliny no ho avy teny amin’ny Coliseum, dia tsy arakaraka izay ny zava-niseho satria toa fahafaham-baraka tanteraka ho an’ny HVM satria na teo aza ny fizaram-bola, dia tsy nahomby firy intsony ny paikady.
Nivoaka ny resaka fa hatrany amin’ny 2 400 000 Ariary no tambiny ho an’ny ben’ny tanàna, izay re ihany koa fa nasaina nitondra olona 50 avy avy. Ny teritery tany amin’ny Minisitera isan-tsokajiny tsy lazaina intsony, eny fan a efa handoa ny sezany aza ireo minisitra HVM. Rehefa tonga tetsy amin’ny Coliseum anefa ny vahoaka, dia tonga tamin’ilay fitenenana hoe: “ny tany nahavokisana tsy hitoerana ela”, ka vao azo ny vola ho an’ny sasany, dia nandao ny Coliseum avy hatrany. Nandeha ny fitaterana olona avy amina toerana maro, toy ny teny Sabotsy Namehana. Ny teny amin’ny faritra Ambohijanaka Gara iny ihany koa, ohatra, dia voalaza fa 10 000Ariary isan’olona no tambiny. Fafy katrana ny vola tokony hahavitana asa fampandrosoana raha tantanana amin’ny fomba mangaraharaha satria 1,4 miliara ariary no nalaza ho nampiasaina. Tetsy amin’ny Kianjan’ny 13 mey kosa, dia feno hipoka ny kianja, ary tonga nanotrona sy nanafana ny lanonana ny ben’ny tanàna maro eto Madagasikara naneho firaisam-po sy fiombonana ho an’ny tolon’ny fanovana satria mangetaheta “Fiovana”, fa tsy voavidina 5000Ariary na mihoatra. Mazava ho azy fa leo sy tofoka an’ity fitondrana ity, ka miredona hatrany ny hoe: “Miala Rajao, izao dia izao”. Malaza ankehitriny fa efa mananika ny 9 tapitrisa mahery ny isan’ny teny fehezan-teny “Miala Rajao” any anaty tambajotran-tserasera, saingy mba hitany sy reny na koa henoiny ve ireny sa efa donton’ny Fisandratana 2030 na efa ho honjohonjo samirery aza ny fahefana, raha tsy voahongontra tanteraka eo?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.