Ao anatin’ny fahasahiranana tanteraka ny toekarena malagasy amin’izao fotoana. Nihena ny fanondranana entana mankany ivelany, tsy misy ny fanampiana avy any ivelany, mbola marobe ihany koa ireo mpandraharaha no tsy mampiditra ny vola vahiny azony eto Madagasikara.
Ity tranga iray ity no asiana resaka kely satria maro ihany ny fahadisoan-kevitra. Mailaka ery mantsy ny FAT milaza fa salama ny toekarena, maro be ireo orinasa nitsangana tato anatin’ny roa taona. Raha ny tena marina anefa, araka ny nambaran’ny mpahay toekarena iray, dia fitaka ihany izany satria maro be ireo olona manangana orinasa mba hahafahany manondrana entana any ivelany, saingy rehefa mahazo vola izy ireo dia mitazona izany any ivelany fa tsy mampiditra izany any amin’ireo banky eto an-toerana. Fehiny dia anarana fotsiny ny ankamaroan’ireo orinasa mitsangana fa tsy mampidi-bola ho an’ny firenena akory. Ankoatra izay moa dia maro be ireo mpandraharaha mahitahita ka tsy mandoa hetra na mandoa ihany fa tena kely sy tsy araka ny tokony ho izy. Mahafantatra tsara izany rehetra izany ny mpitondra tetezamita saingy mitazam-potsiny satria tsy afaka manao na inona na inona raha tsy mahazo ilay fankatoavana iraisam-pirenena ka miandry izay fanapahan-kevitry ny SADC amin’ny 20 mey ho avy izao. Mandra-piandry izany dia miezaka mafy mandresy lahatra ireo filoham-pirenena aty Afrika ny FAT mba hanaiky azy amin’izay fa tsy hanasazy intsony.
Manomboka hita mazava amin’izay mantsy izao ny voka-dratsin’ny tsy fahafahan’i Madagasikara mifandray ara-barotra araka ny tokony ho izy amin’ny any ivelany ka mila mahita vahaolana haingana ny mpitondra tetezamita raha tsy te hiharan’ny hatezeram-bahoaka. Fa eo amin’izay lafiny toekarena izay ihany dia mbola mampikaikaika ireo mpandraharaha ny ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ao satria be loatra ny zavatra tsy mazava sy ny resaka kolikoly. Efa misy ohatra ny “scanner” na fitsirihana haingana amin’ny fitaovana moderna ireo kaontenera saingy mahagaga ny tsy maintsy hamoahana ny entana rehetra ao anatin’ny kaontenera ary dia matetika miandry ny sitrapon’ireo mpiasan’ny ladoany ny fanaovana izany. Dia mitombo ny vola miala amin’ireo mpandraharaha ka ny farany fatiantoka fa tsy tombombarotra no azo amin’ny fanondranana sy ny fanafarana entana. Ankehitriny dia mitombo ireo orinasa amin’ny sehatra tsy miankina mandefa ny mpiasany ho amin’ny «chômage technique», azo itarafana ny fahasahiranana izany, fa maro amin’izy ireo ihany koa no tsy nampisondrotra ny karaman’ny mpiasa ao aminy tahaka ny fanao isan-taona satria milaza ho sahirana ara-bola. Efa mirehitra, araka izany ny jiro mena ho fanairana fa marary ny toekarena malagasy ka mila fitsaboana haingana dia haingana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.