Mifarana ity ny herinandro voalohany amin’ny volana mey, volana fahadimy amin’ity taona ity, saingy mbola ankamantatra ny hisian’ny tena fitoniana eto amin’ny tany sy ny fanjakana.
Tsy mety milamina ny tontolo politika, miverina indray ny fidinana an-dalambe, ary nahagaga fa niaraka niverina tamin’izany ny baomba mipoaka. Miala any koa ny raharaham-pitsarana, tahaka ny an’ny FIGN, ho avy manaraka eo koa ny didim-pitsarana momba ny Tiko izay andrasana amin’ity anio ity. Efa nahazo taratasy fiantsoana ny fiatrehany fanadihadiana eny amin’ny fitsarana ihany koa i Mamy Rakotoarivelo. Ity farany moa dia voarohirohy ho nibaiko ireo olona nametraka baomba teny amin’ny lalana Marais Masay ka nikendry ny hamono ny filohan’ny tetezamita tamin’ny martsa 2011.
Mitohy ny resaky ny moana sy marenina eo amin’ny mpampianatra sy ny fanjakana ary dia hitohy sy hihamafy ny grevy, manampy trotraka izany ny fitokonan’ny mpianatra. Nifanojo indrindra tamin’ny andron’ny 3 mey, andro iraisam-pirenena ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety no nitazonan’ny zandary eny Betongolo azy mianadahy mpanao gazetin’ny Free-FM, izany no natao dia satria tsy mbola vita ny fakana am-bavany sy fanadihadiana azy ireo. Na ahoana na ahoana anefa ambara dia manamaloka ny fahalalahana haneho hevitra sy ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety izany ary mety hitarika zavatra hafa mihitsy. Maro ny mahita ankehitriny fa tena nandrehitra afo i Andry Rajoelina, ary tena efa tena tafakatra ambony dia ambony ny isan’ny olona sosotra sy tezitra aminy, ireo izay jamban’ny zavatra tsy fantatra ihany angamba, no mbola mino sy matoky fa hahatafavoaka an’i Madagasikara amin’izao krizy izao i Andry Rajoelina sy ny ekipany, ary dia tsy ilaina ny ankolafy na vondrona politika hafa.
Tsy nisy nilaza mihitsy fa ny tondrozotra no vahaolana tonga lafatra sy mety indrindra, fa io aloha no vita sonia sy nekena dia io no ampiharina. Raha miaiky ny rehetra fa tsy mety io, dia azo atao tsara ny mihaona sy midinika indray dia karohana ny vahaolana tena mahomby. Fa ny fikirizana hanohy ny lalana amin’izao zava-misy izao aloha, dia midika fa famonoan-tena politika mihitsy ho an’ny FAT sy ny tariny ary hovidian’izy ireo lafo atsy aoriana kely atsy. Efa manomboka mirehatra ny afo, raha ny tena marina dia mpanao politika sy fikambanana vitsivitsy miaraka amin’ny tafika sy basy aman-tafondro sisa no mbola maha eo amin’ny fitondrana an’i Andry Rajoelina, fa raha ny olom-pirenena amin’ny ankapobeny dia efa leo ny fampanantenana poakaty nataony sy ny hamafisan-dohany. Sarotra ny hieritreretana fa afaka hiatrika fifidianana milamina madio sy mangarahara isika, afaka dimy na enim-bolana, raha mbola tahaka izao foana ny zava-misy eto. Ny mety hitranga aza dia fitokonana faobe sy savorovoro isam-paritra, mialoha ny fetim-pirenena, raha tsy mahay miresaka sy mifandamina ny mpitondra sy ny mpanao politika. Fifampiresahana ihany no vahaolana fa raha hifandrafy sy hifanenjika eto dia, hirehitra ny afo.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.