Edito

Mirehareha amin’ny fahalemena


  • Talata 10 Novambra 2020

Madagasikara ho sangany aty Afrika sy eran’izao tontolo izao eo amin’ny resaka fanamby sy fampanantenana novoizin’ny Fanjakana ankehitriny niainga tany amin’ny propagandy ka hatramin’izao.

 

 

 Madagasikara mitolefika sy mihazakazaka mankany amin’ny rambony no misy, raha jerena amin’ny filaharana iraisam-pirenena samihafa mivoaka. Na inona na inona resahana, na inona na inona sary sy endrika tiana havoaka fa miasa sy manao zavatra dia ny vokatra miantraika amin’ny fiainana ara-toekarena sy ara-tsosialy aloha no mason-tsivana voalohany hoenti-mandrefy fa miasa sy mampandroso firenena ny fanjakana iray. Ny ankoatra izay haingo ambony tsikoko, fa tsy hoe ianao miedinedina amina trano manaka-danitra, kianja goavana, kianja eny Anatirova lasa tsangam-baton’ny fisaraham-bazana,… dia hoe miasa, kanefa ny vahoaka sahirana, tsy manan-kohanina, very asa, tsy mandry fahalemana,… Hatreto aloha isika, mbola manarina ny lavaka mangitsokitsoky ny famotehana sy ny tsy fahaiza-mitantana tao anatin’ny 60 taona, ary mbola miverina amin’ny resaka isa foana hoe: harin-karena faobe niabo 7,1% no novantanina teto 11 taona lasa izay, 5,2% roa taona lasa, saingy niiba ho -3,2% ankehitriny, ary 4% eo no kendrena amin’ny taona ho avy. Na ho tratra aza tanjona amin’ny taona ho avy, mbola fadiranovana noho ny tamin’ny roa taona na tamin’ny 11 taona lasa isika. Ankehitriny, tsy mbola ny fanentsenana ireny lavaka mangitsikitsoky ny tsy fahaiza-mitantana sy ny fandravana hefa ireny no maika, fa ny fandrombahana fahefana, hetraketraka politika, antsojay, amboletra, rendrarendra, fanitsakitsahana lalàna,… Taiza teto ambonin’ny tany, ohatra, no nisy fitondram-panjakana tsy nanome ny tetibola efa voafaritra fa ao anaty lalàna fa hiasan’ny andrim-panjakana? Sao dia mba ho sangany amin’ny ratsy fa tsy amin’ny tsara? Mbola ny hambo-po sy valifaty ve no maika amin’izao? Tratra ve ny fanamby tao anatin’ny Programa ankapoben’ny Fanjakana etsy ankilany?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT