Mirehareha fatratra ny fanjakana ankehitriny fa mahazo avara-patana amin’ny vondrona iraisam-pirenena. Notanterahina teto amintsika ny fivoriana iraisam-pirenena isan-tsokajiny saingy nitondra inona ho an’ny firenena izany ? Nandalo teto ny sekretera jeneralin’ny firenena mikambana, nandalo teto ny filoha Frantsay,
ary ho tonga eto anio alina ny filoha Tiorka saingy ny fiainan’ny Malagasy ihany no iainany fa tsy hampiova na kely monja ny zava-misy eto amintsika aloha izany raha atao indray mijery. Fatra-pirehareha ny fanjakana ankehitriny fa akaiky sy mahazo fanohanana avy amin’ny vondrona iraisam-pirenena. Dia velom-panontaniana ny vahoaka Malagasy hoe nahavaha ny olan’ny vahoaka tsy vakivolo ve ny fireharehan’ny fanjakana izay toa mihevi-tena ho tsy misy toa azy ? Raha ny resa-be sy ny fampanantenana natao no tanteraka efa tena paradisa kely ity firenentsika ity saingy mbola nofinofy aloha izany hatreto. Raha ny fahatongavan’ireo vahiny na olo-manakaja eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena no nampandroso ny firenena efa tsy toy izao intsony fiainan’ny Malagasy. Tsy tambo isaina ireo vahiny nandalo teto amintsika saingy nofy atoandro aloha ny manantena fa vahaolana ho antsika ny vahiny. Ny fahatongavan-tsaina sy ny firaisan-tsaina ary ny fahavononana handray fiaingana vaovao ho an’ny samy Malagasy aloha no hany vahaolana hatreto! Aleo tsy mirehareha amin’ny tsy misy antony fa mba mandini-tena amin’izay e!
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.