noho ny fiheveran-tena ho tsy maty manota sy fananana fahefana tsy
manam-petra sy tsy mana-pahataperana ! Tiana ho lalaovina hatrany amin’ny resaka ara-panahy, ka mandeha hatramin’ny fambolena toe-tsaina mirefarefa, rehefa tsy mifanaraka amin’ny heverin’ny mpanao politika sasany fa mety aminy ny fiainam-piaingonana. Dia raikitra indray ny politika mirefarefa sy mamoafady, tafiditra anatin’ny antsoina hoe : « campagne de diabolisation » hanenjehana Raiamandreny am-panahy. Tsy finiavana hitsara be fahatany na hampifandray ny zavatra tsy tokony hampifandraisina, fa toa efa fahazarana ny manao fihetsika mamoafady amina Raiamandreny, raha tarafina amin’ny zava-nitranga 16 taona lasa. Vao tsy ela fa 2 taona lasa izay dia nosokajiana ho mpanongam-panjakana mihitsy ireo mpitondra fivavahana nanao antso niaraka tamina olobe teto amin’ny Firenena manoloana ny zavatra tsy mety maro. Tena zava-doza sy mampanongo tena ary mampametra-panontaniana hoe : hatraiza ny fetran’ity fahasahiana tafahoatra ity ? Tsy mbola ampy ve izay fametavetana samihafa natao teto amin’ny Firenena izay ? Asa iza sy inona sisa no arofanina amin’ny fitantanana ny Firenena raha ireo heverina fa Raiamandreny amam-panahy sy to teny amin’ny vahoaka sy ny olom-pirenena no tsy henoina intsony ? Ny zava-dehibe aloha dia mifoha ny olom-pirenena, miha betsaka no mahatsapa fa maro ny zavatra tsy mety sy mila ahitsy eto. Mila aim-panahy vaovao ny Firenena, mila fifozahan-tsaina sy fifohazam-panahy hoenti-manitsy ny tsy mety, mila fahatongavan-tsaina faobe,… fa raha izao lalantsain’ny tsy maty manota sy mihevitra fa tsy misy tsy vitan’ny vola sy ny fahefana izao, dia hiha zava-doza hatrany ny hahazo an’i Madagasikara sy ny Malagasy ! Fotoana izao hanombohana ainga vao ho an’ny Firenena !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.