Edito

Mirefarefa amin’ny tany loatra


  • Alakamisy 28 Janoary 2021

Miakatra ny haavon’ny fifanandrinana ara-politika eto Madagasikara, saingy

 

 

 

miha mirefarefa amin’ny tany ny làlan-tsaina hitondrana azy. Hita taratra io amin’ny fomba fanehoan-kevitra any anaty tambajotran-tserasera, ary efa tsy politika intsony no atao fa efa fanompana, fanalam-baraka, resaka mamoafady,… Tena hita taratra ny fomba fisainana diso mirefarefa amin’ny tany. Ireny no hitezan’ny mpanao politika ny mpanohana azy, ary ny mahagaga, dia tazanim-potsiny tsy misy fandraisana andraikitra na efa hita miharihary izao aza ny zavatra mamoafady tsy fampiseho masoandro. Efa lasa fomba fiady ara-politika io ankehitriny. Asa tokoa hoe mety mba hampihena kely sy ahafaha-manadino ny olana ara-tsosialy, ny krizy mihamafy,… ve ny fifanasana vangy amin’ny resaka mirefarefa amin’ny tany tahaka ireny? Ny tsy azo lavina aloha, dia toa zary lasa fomba fiady politika ny firesahana mandoto olona amina zavatra mamoafady. Rehefa ny foto-kevitra sy ny kitapon-tsaina no tsy ampy, dia ireny sisa no hitondrana ny fomba fiady ara-politika hoenti-miatrika ny fifanandrinana. Na izany na tsy izany, misy lafy tsarany ny fifanandrinana satria mandeha ny mpimason’ny mpitondra eo anatrehan’ny olana miha samihafa. Hita taratra ihany ny tahotra hisian’ny fipoahana, ka mba bedesina aloha ny Jirama na ho any na tsy ho any; ampidirina aloha ny vary mora na tsy ho vahaolana maharitra sy mahasehaka ny Malagasy tsivakivolo aza, ampanantenaina aloha ny fandavahana lava-drano fa sao hiakatra ny daozin’ny fahatezeram-bahoaka,... Mbola ho lava ny lalan-kizorana, raha tarafina amin’ny fampanantenana ka asa re hanao ahoana ny mety ho fivoarany fa hatreto aloha mbola saro-piterahana ilay drafi-pamirapiratan’i Gasikara, izay ny mpamatsy vola nolazaina fa mampahantra firenena no andrasana. Asa rahoviana no ho tanteraka ilay fampantenana tsy mbola nisy tao anatin’ny 60 taona hoe: isika indray no hampindrana an’i Kaomoro ?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT