Na efa maro aza tato anatin’ny telo taona, ny tranga nahasolafaka ka tokony ho nahazoana lesona dia hita fa mbola tery saina sy tia tena ihany ny ankamaroan’ireo mpanao politika Malagasy, indrindra fa ireo mba nahazo seza kely na nahazo avara-patana tamin’ny filohan’ny FAT.
Traikefa mipetraka ary tsy tokony hohadinoina mihitsy ny fihaonana in-droa miantoana tany Maputo sy ny tany Addis Abeba. Sarotra tamin’izany fotoana izany ny nitady marimaritra iraisana na dia amin’ny andininy iray monja tamin’ilay fifanarahana politika aza. Niaraha-nahita moa ny filohan’ny FAT Andry Rajoelina tezitra sy nisendaotra ka nivoaka ny efitrano fivoriana, ary rehefa tonga teto Antananarivo dia namoaka vavabe fa hoe : ampy izay ary tsy misy an’izany mivoaka an’i Madagasikara izany intsony fa tsy maintsy hita eto ny vahaolana amin’ny krizy, nampiany eson-teny manao hoe : “alefantsika amin’ny sms na e-mail ny valin-teny fa isika tsy tonga any izany intsony…”. Nanara-drenirano io fanambaran’ny filohan’ny FAT io avokoa ireo mpisolelaka aminy taorian’izay ary misy ny manohy izany hatramin’izao na dia efa niova amin’ny ampahany betsaka aza ny fomba fiasa amin’ny famahana ny krizy. Raha vita, ohatra, ny rangopohy tamin’ilay sori-dalana dia tahaka ny tsianjery any an-tsekoly mihitsy no nanambaran’ireo mpanao politika mpomba an’i Andry Rajoelina fa tsy misy izany fifampidinihana izany intsony. Hatsangana ny governemantan’ny firaisam-pirenena ary hampiharina ny sori-dalana satria efa voasonia, hono, ka izay tsy te hiditra ao anatin’ny sambo dia aleo ho tavela any ivelany any.
Nihazakazahana ny fananganana ilay governemantan’ny akamakama, tafaverina tamin’ny toerany ny praiminisitra Vital sy ny ankamaroan’ireo minisitra akaikin’ny filohan’ny FAT. Mba tafiditra tao anaty rafitra tetezamita ihany koa ireo mpamadika palitao avy etsy amin’ny Magro, ka dia naka volon-tany. Martsa 2011 izany rehetra izany. Tsy niherina akory ny taona dia nisy ny fifampidinihana sy adihevitra teo amin’ireo vondrona politika, noravana ny governemanta, nosoniavina ny sori-dalana ary eo amin’ny fampiharana azy izao no tsy mampitovy tsara ny tadin-dokanga dia efa misy manangam-bovona sahady indray fa hoe tsy ilaina intsony ny fihaonana an-tampony eo amin’ireo filohan’ankolafy fa efa tara loatra ary mila tohizana ny lalana dia atao haingana ny fifidianana. Koa raha mety sy mitombina izany rediredy izany dia inona ary ny antony nilazan’ny praiminisitra Omer Beriziky fa tsy voahaja ny fotoana araka ny voasoratra ao anatin’ny sori-dalana fa tsy maintsy any aorian’ny 17 novambra any vao mety hijoro ilay governemanta.
Mazava ny resaka eto fa na ingahy praiminisitra aza dia mahita fa mbola sarotra ny raharaha ary maro be ny dinika sy fifanatonana ary fivoriana tsy maintsy atao vao manangana governemanta izay, ka asakasak’ireo maika lava amin’ity fifidianana ity fa mba azon’izy ireo an-tsaina moa ny savorovoro sy rotaka ateraky ny fifidianana mandeha ila sy tsy handraisan’ny mpanohitra anjara izany ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.