Edito

Mirary soa ilay firenena !


  • Alatsinainy 16 Oktobra 2023

Ho an’ireo mahatsiaro ny tenany ho mbola manam-panahy moa dia mahita fa mahakivy sy maha ketraka ary

maha onena ankehitriny ny toe-draharaha. Fanontaniana mipetraka matetika foana ny hoe ho entintsika aiza ity firenena ity na ity Madagasikara ity? Mampalahelo ny maheno fijoroana vavolombelonana olompirenena, ary niaraha-naheno sy nahita izany tamin’iny herinandro lasa iny, miteny fa nomen’ny andaniny vola mba handrava na hanelingelina ny hetsika ataon’ny ankilany. Resaka 10.000 Ariary sy 20.000 Ariary nefa ao anatin’izany rehetra izany no resaka ary rehefa fakafakaina lalina izany dia iraka mifandraika amin’ny raharaham-pirenena no asaina atao. Tsy mbola any amin’ny resaka hoe mety ve sa tsy mety akory no andeha hifotorana ao anatin’ilay hadihevitra fa ilay resaka 10.000 na 20.000 Ariary izany, indrisy, eto amin’ity firenena ity dia efa ampy hanaovana hetsika mifandraika amin’ny raharaham-pirenena na hoavin’ny firenena na dia mety tsy maharesy lahatra ilay olompirenena manaiky hanao izany akory aza. Maika moa izany ka hoe hanakorontanana hetsika am-pilaminana entina hitakiana ny tsy famelana olompirenena any amina firenen-kafa, sady amin’io firenen’ny mpanjanaka ity Madagasikara ity fahiny, hilatsaka ho filoham-pirenena eto intsony na fitakiana fanadiovana ny tontolom-pifidianana mba hadio sy hangarahara ary eken’ny rehetra no antony handraisana izany vola izany? Heverina fa isan’ny tena mariky ny fahantrana lalina izany ary tsy fahantrana ara-nofo ihany fa ara-tsaina sy ara-panahy ihany koa! Ho azy ireny moa no hitolomanay, hoy ny olompirenena avy amina sehatra samihafa nampiray feo tamin’iny herinandro lasa teo iny. Tsy mpanao politika ihany fa nisy artista tao, nisy mpandraharaha tao, nisy olompirenena malagasy avy amina sehatra maro samihafa tao saingy ny hirariana hatrany moa dia ny hoe enga anie tokoa ity Madagasikara ity mba hahita masoandro miiratra ihany indray androany! Mirary soa ilay firenena na izany na tsy izany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

Hijery ny tohiny
FTT