Mirary ny soa tokoa manoloana izao ady hatrehin’ny firenena sy izao tontolo izao izao.
Isan’ny hirariana amin’izany ny hoe enga anie ka mba tena fangaraharahana tsy namboamboarina na mifono politika lalina no naseho nanomboka omaly iny. Na mifono izay politika izay aza dia mba ho politika mikatsaka ny soa iombonan’ny firenena sy ny mpiray tanindrazana, araka ny famaritan’ireo manam-panahy Grika azy fahagola. Somary mahagaga ihany tsinona no nahare “fahiny” fa efa voatery niditra amina dingam-panomezam-panafody vaovao ireo marefo sy marofy isika satria maro ireo tsy mahazaka ilay tambavy nankalazaina sy natao rehareha nisarihana ny mason’izao tontolo izao. Tampoka avy eo anefa omaly dia heno fa nahasitrana ny androatokon’ireo narary indray izany. Isaorana izany ny Avo fa mbola tsy nataony diso anjara tamin’ny fahagagany ity firenena ity! Ny hirariana sy hangatahana aminy aza dia ny mbola hahamaro kokoa sy hitohizan’izany famindram-pony izany hatrany. Raha toa tokoa moa ka tena famindram-pony no nitranga! Raha sanatria kosa ka politika avo lenta araky ny fanahiana indraindray dia enga anie mba tsy ho ny vahoaka mitrongy vao homana sy madinika foana no hizaka ny vokatry ny adalan’izay mpanapa-kevitra manaotao foana ao ambony ao! Ny tody tsy misy fa ny atao no miverina mantsy, hoy ny fahendren-dRazantsika izay. 60 taona izao no nanirian’ny Malagasy mba ho tafala anatin’izany fahantrana sy krizy ateraky ny fampandriana adrisan’ny mpitondra sy mpanao politika izany. Mandrak’ankehitriny anefa dia mbola manjavozavo aminy hatrany ary ny sasany aza moa tsy mahalala na inona na inona mihitsy mikasika ny fitantanana ny vola tokony hamelomana azy ka nankininy ho tantanan’izay nampindraminy fahefana. Hatramin’izao mbola fanontaniana mipetraka foana ny hoe rahoviana ny mpitondra fanjakana no hanao fitaterana mangarahara ireo fanampiana avy any ivelany hiatrehany sy ny vahoakany ny hahamehana ara-pahasalamana?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.