Edito

Mirary fahatongavan-tsaina


  • Alarobia 03 Novambra 2021

“Ny fiarahamonina tsy miraharaha. Aleony mionona tsy miraharaha. Lasa fomba mahazatra ny tsy miraharaha. Isika Malagasy lasa tsy miraharaha.”,

hoy ny tononkiran-dry zokibe Mahaleo izay nanomboka ny taona 2002 tany ho any. Ny mahagaga anefa dia toy ny rano natondraka tan-damosin’ny gana izany rehefa mijery ny fiainan’ny mpiara-monina eto amintsika sy ny fitantanan’ireo mpitondra antsika ihany koa amin’izao fotoana izao. Tsy mbola misy fahatongavan-tsaina maha resy lahatra hatreto manoloana ny fahapotehan’ny tontolo iainana, ny kere miha mafy any atsimo, ny vidim-piainana miakatra, ny olombelona Malagasy sasany sahy mitonona am-pahibemaso fa hamoy ny ainy mihitsy raha sanatria mbola tsy hihavana ao anatin’izao vanim-potoana mampikatso lalina ny firenena izao ireo mpitondra nifandimby. Izany santionany rehetra izany mbola samy mampihazohazo antsika mianankavy eto ankehitriny fa toy ny tsy misy liana amin’izay tena vahaolana n any mpitondra na ny vahoakany. Ny mpitondra moa mbola te hanohy ny revirevy tsy mipaka any am-bilanin’ny valalabemandry akory. Mbola te hikiry hametraka teleferika, hampitombo kianja manara-penitra, hanangana tanana vaovao na dia tsy mila tenenina firy intsony aza ny zava-misy fa efa izao iaraha-mahita izao. Ny vahoaka indray moa izany, raha ny hita hatreto aloha, dia mbola miaina misimisy kokoa ny efa voalazan’ilay tononkira tamin’ny 19 taona lasa teo hoe aleony mionona tsy miraharaha. Mirary fahatongavan-tsaina na izany aza !
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT