Edito

Mipararetra ry kanosa


  • Alarobia 13 Desambra 2017

Niezinezina ny fanambaran’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana omaly ny fahavononany sy firosoany hatrany hanarina an’i Madagasikara, ary izay no niadiany mafy ny hiverenenany teto Madagasikara.

Tenin-dehilahy vonona sy sahy izany, ary efa teny nomena ny vahoaka, ka tsy maintsy tanterahina. Tsy natao handranitana ny hafa na hambolena korontana eto amin’ny firenena, fa kosa velirano hoenti-maneho fa adidy tsy maintsy hatao ny fanarenana an’i Madagasikara, izay efa tena potika sy rotiky ny hetraketraky ny maty eritreritra sy ny mpamadika tanindrazana. Inona kosa no mety ho setriny avy amin’ireo mihevi-tena ho mafy sy mbola te higoka ny tsirom-pahefana, ka hitady izay fomba rehetra hijanonana eo na hisy faty olona aza? Misy miala ao Mavoloha, hoy ny horakoraky ny tolona fahiny satria dia vao mainka mipararetra indray ry kanosa sy tsy mahatoky valera, ka manahy mafy ny ho very seza. Ny anaran’ny sasany aza moa dia efa zary antsoin’ny olona hoe “Rabekonetaka” noho izay hakanosana sy tsy fahatokisan-tena ara-politika io satria fantany tsara ny nataony, ary tsy hahazo sitraka amin-dRamalagasy intsony izy. Mbola hinia hanao herim-boangory, ka hihantsy ady sy hamboly korontana sa mba ho tonga saina sy hahay hanaja tena aloha?  Ny tantara no hitsara!

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT