Edito

Mioty loza hatrany hatrany !


  • Zoma 27 Jolay 2018

Toa tsy dia misy intsony ny vaovao tsara eto amin’ny firenena, ary na misy aza takon’ny ratsy, hany ka toy ny efa loza miandry hotazana no miandry an-dRamalagasy andro aman’alina.

Tena miiba tanteraka izay jerena raha ny raharaham-pirenena sy ny fampandrosoana. Fitokonana sy fitakiana etsy sy eroa saingy tsy hita izay vahaolana. Tsy fandriampahalemana àry sy atsia ary mitsipatsipaka aripaky ny dahalo ny olona raha tsy hilaza afatsy ilay zava-doza namonoana 4 mianaka tamin’ny fomba feno habibiana tany Ambohiboromanga Ambatondrazaka vao andro vitsy izay. Efa zary lamaody sy bizina vaovao ny fakana an-keriny. Atao mahagaga ve raha tsy mitsitsy sy tsy miandry fanjakana intsony ny olona, fa manao izay mba takatry ny sainy, toy ny fitsaram-bahoaka ilay fandorana olona velona tany Fierenana Amboasary Gara afak’omaly? Na vahaolana ara-politika aza mantsy tsy misy, mainka fa ny ara-tsosialy izay efa hatry ny ela no nanaovana ronono an-tavy. Maloka tanteraka ny fiainam-bahoaka, saingy mahari-pery hatrany ary na te hikofoka sy hitroatra aza toa efa manomboka kivy noho ny afitsok’ireo heverina fa mba ho lohany afaka ny hitarika. Miandry fifidianana satria any no heverina ho vahaolana hahafahana mametraka olona heverina fa nahavita sy mbola hahavita hanaisotra izao fahoriam-bahoaka efa ho lava sy tsy manam-pahataperana izao. Asa lahy mba nanao ahoana re ny fiainan-dRamalagasy raha tsy nisy ny politika maizina namotehana sy nampidirana kizo ny firenena tany amin’ny 10 taona lasa e? Tarazon’izany avokoa izao vahaolana petatoko sy politikam-boalavo tsy misaina afatsy ny hikepoka sy hamotika izay sendra azy izao. Mila maka lesona amin’izay e!

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT