Adihevitra atsy, adisanina aroa, ady amin’ny fiainana isan’andro ny an’ny zanak’olombelona mitady ny fiainana tsaratsara kokoa. Fa ao anatin’izany koa dia misy ireo miady saina manoloana ny filazana samihafa ataon’ny mpahay siansa fa antomotra ny fara andro. Amin’ny taona 2012, hoy ny sasany, amin’ny 2036 indray hoy ny hafa. Itsy voalohany aza moa efa namoahana horonantsary mihitsy toa fanomanana ny sain’ny zanak’olombelona fa antomotra toa oron-tsaka anie ny fara andro e ! Ny taona 2036 indray, dia ry zareo Rosiana no mahita araka ny kajikajy nataon’ny siantifika any fa dia hisy “asteroida” lehibe hifandona amin’ity bolantany iainan’ny olombelona ity amin’io taona io ka dia hipatitaka tsy misy raisina raha mitranga izany. Misy koa ireo milaza fa rehefa tsy hita intsony izay mahasamihafa ny olombelona sy ny milina na masinina, toy ny hoe afaka misaina sy miahiahy toy ny olombelona ny ordinatera dia tsy misy dikany rafahafatesana. Raha afaka mifangaro ny olona sy ny milina, dia tsy misy ilana izao tontolo hita maso sy azo tsapain-tanana izao.
Tsy azo tsinontsinoavina koa ny fanatontoloana, izay ambaran’ny mpahay toekarena sasany fa mety ho endri-panjanahana vaovao. Koa raha miara-mitroatra ireo firenena mahatsiaro ho iharan’izany endri-panjanahana vaovao izany dia izay vao ho fara andro. Ka inona ary no hatao ? Lasa saina ny maro. Ny tantara aloha no nilaza fa saika ny antsasaky ny firenena eran’izao tontolo izao no nozanahin’ny Anglisy, koa na nitroatra aza izy ireo, dia mbola io ilay firenena atao hoe Angletera. Betsaka no mamoifo, mihevi-tena fa irery ka very tsy manan-kantenaina intsony amin’izao fiainana izao ka dia mamono tena, ao ny mivadika jiolahy. Mahery vaika ny hery famoretana, tsy hay tohaina ny fanapenam-bava ny tsy mitovy hevitra amin’ny mpitondra, fonja no miandry ny mpanohitra. Mitombo isa ny mpamadika. Misy ny manao vain-drahalahy ho tsy marary. Sao mba izay koa lay fara andro amin’ny endriny vaovao ? Raha izay no izy, misy ny manam-pinoana, ary mivavaka mba ho lasan’izay ny ratsy rehetra. Minoa fotsiny ihany !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.