Minia mikipy,

efa zatra tsy mivaky loha


  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nisongadina tamin'iny herinandro

iny ny fandraisantsika anjara tamin'ny hetsika iraisam-pirenena lehibe, na tamin'ny lafiny politika sy diplaomasia ary ny jeopolitika io na tamin'ny fanatanjahantena. Nanamafy sy naneho ny hambompom-pirenena hametraka ny lanjany sy maha izy azy fa i Madagasikara tany amin'ny fivoriamben'ny Firenena Mikambana, fa naneho ihany fa manoka-baravarana amin'ny fiaraha-miasa marolafy. Efa namafisina tamin'ny fikaonandoham-pirenena ho an'ny diplaomasia, fa tsy hanome vahana Firenena izatsy na izaroa, fa kosa hametraka diplaomasia ara-toekarena miompana amin'ny tombotsoam-bahoaka. Zava-dehibe izany na ekena fa mbola sarotra aza ny lalana hodiavina sy ny sedra eo anatrehan'ireo ambana sy tsindry samihafa sedraina. Ny zava-dehibe dia ny fahasahiana hanao dingana hanova. Ny sary faharoa dia ny sary sy tranga roa mampanongo tena tamin'ny lalaon'ny Ekipam-pirenena Malagasy sy ny Nizerianina. Dia tsy mba nisy mpitantana ny baolina kitra naharesy lahatra ny tompon'andraikitra isan-tsokajiny amin'ny lalao ve nanaovana fahanginana minitra vitsy noho ny fodiamandrin'ny mpilalao kalaza Malagasy fahiny ary reharehan'ny baolina kitra Malagasy ? Dia tsy mba nisy nahita ve tany ifotony fa nivadika ny sainam-pirenena Malagasy ? Efa zatra tsy mivaky loha? Mbola mendrika ny hitantana ny kitra Malagasy ve ireo mpitantana? Rahoviana vao mba hanaja tena sy hanaiky fsy mahomby?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

  • Mamafy rivotra !
  • Zoma 11 Septambra 2026

Fomba firesaka ifandovan’ny

Hijery ny tohiny
FTT