Edito

Milomano anaty kolikoly


  • Zoma 05 Jona 2015

Efa tena ao anaty krizy vaovao indray i Madagasikara ankehitriny. Ambony ambany ny tontolo politika, manomboka indray ny famadihana palitao, misesisesy ny fanambarana ataon’izatsy sy izaroa

 

. Samy milaza fa manana ny marina ny rehetra, fanina ny vahoaka ao anatin’izany rehetra izany. Miitara hatrany amin’ny resaka diplaomasia mihitsy aza ny resaka satria azo antoka fa misy ifandraisany amin’izao savorovoro politika izao ny fampitsarahana tampoka ny fotoam-piasan’ny masoivoho Frantsay eto amintsika Atoa Goldblatt, izy izay tokony ho amin’ny 2017 vao tokony handao an’i Madagasikara. Samy mba te hahafantatra ny tena marina ny rehetra saingy milendalenda fotsiny satria samy fetsy ireo manampahefana. Hatreto aloha dia sarotsarotra ihany ny hahafantatra ny anaran’ireo mpizara vola be etsy sy eroa ka mahatonga ny kolikoly avo lenta ao amin’ny sehatra politika eto amintsika. Entanina ny vahoaka handà ny tsolotra sy ny kolikoly, hita sy re isan’andro ny fampianarana ataon’ny Bianco, kanefa dia toa ireo mpitondra mihitsy no milomano ao anaty kolikoly, ka tsy mahagaga raha tsy mety mivaha ny krizy eto Madagasikara.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT