Edito

Milisy nahazo fanjakana !


  • Zoma 07 Aprily 2017

Natao ho an’iza ny lalàna eto amin’ity firenena ity fa ny minisitry ny fitsarana mihitsy no mijoro ho mpisolovava ny olona enjehina noho ny resaka kolikoly,

kanefa tsy mbola tonga eny amin’ny fitsarana izay hiadidiany ny raharaha ? Ny tena loza dia tsy nihaino afa tsy feon-dakolosy tokana, kanefa nivatravatra mihitsy ary niandany raha voizina foana hoe fitsarana tsy mitanila no misy eto. Loholona lany tamin’ny alalan’ny antokon’ny fitondrana mihitsy no mamory milisy hanafika sy handoro biraom-panjakana hitazonana olona voarohirohy tamin’ny resaka kolikoly. Fanjakan-jilolahy mihitsy ve no hajoro eto amin’ity firenena ity ? Tsy misy intsony mantsy ny fandraisana fepetra manoloana ny tetika maloto hanaovana didin’ny besandry hamoaka olona voarohirohy tamin’ny zava-doza mamotika ny firenena. Henjana ny fanenjehana ny olona hanatitra voninkazo sy manao fanambarana ny hanaovana ny tanàna maty mba ho fisaintsainana manoloana ny tsy mety eto amin’ny firenena. Malalaka kosa ny famoriam-bahoaka tsy nahazo alalana hitoraka sy hamaky biraom-panjakana. Aiza ho aiza ilay hoe fanjakana tan-dalàna ? Sa rehefa manohintohina ny tombontsoan’ny tena ny lalàna, dia zavatra hafa mihitsy izany, ka hodiana tsy resahina fa hitsahina ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT