Edito

Milavo lefona !


  • Alakamisy 08 Jona 2017

Samy maka ho azy sy samy manao izay danin’ny kibon’ny sisa eto amin’ny firenena fa tsy misy intsony izany lalàna ifampifezana izy.

Toa misy ihany ny lalàna saingy mandeha ilaha tahaka ny kiraron’i Beminahy, hoy ny fitenenana, ka misy ambony sy ambanin’ny lalàna. Ireo mijoro handravona ny fitanilana aza tsy fantatra intsony na mba tena miezaka mitaky ny hitovian’ny rehetra na manao sinema araka ny fahitan’ny besinimaro azy. Tsy manan-kianteherana intsony ny valalabemandry fa dia ny ody varatr’i mopera sisa hoe ny aza mba vohany ihany satria mibanabana ho an’ny valala tsy mandady harona ny eny Ambanintsinana sy Ambalatavoahangy. Efa tena milavo lefona sy tsy manan-kianteherana intsony ny maro an’isa. Halavirina toy ny fasam-bao kosa izany ho an’ireo lava tànana sy lohany eto amin’ny tany ama-monina, ka na inona na inona daozin’izany fandikan-dalàna izany dia tsy misy bety, hoy ny tanora satria HVM. Tsy tambo hisaina ny fanambaran’ny filoha sy ny praiminisitra sy ny maro hafa, saingy ny teo ihany no teo fa dia volan-kakafotra e! Tsy hay aloha na mba ho mby hatraiza indray ny fitakian’ny mpitsara sy ny namany amin’ny fanajana ny fahefan’izy ireo fa ny hita aloha dia tsy manan-kianteherana intsony ny maro an’isa fa milavo lefona sy mitazana avy ety ivelany sisa!

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT