Edito

Milavo lefona


  • Zoma 06 Aogositra 2010


Raha mbola krizy politika koa tsy nisy toy ity novolen’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita ity teto Madagasikara. Fanonganam-panjakana no niandohany. Daty malaza raiketin’ny tantara ny 17 martsa 2009. Io rahateo no fanonganam-panjakana voalohany nitranga teto Madagasikara, fa hetsi-bahoaka no nisy ankoatra izay, tao anatin’ny 50 taona niverenan’ny fahaleovantenam-pirenena izay. Mihitsoka ny fiainam-pirenena. Mila hitoka-monina i Madagasikara. Tsy voafehin’ny mpitondra mahefa ny raharaha. Tsy misy fitantanana mandeha amin’izay laoniny eto. Mamono afo sisa asan’ny mpitondra. Raha mba miravondravona ny olana etsy dia mipoitra indray ny aroa. Tsy misy vahaolana maharitra.

Tsy ny hamaha izay olana izay koa anefa no mahamaika ny mpitondra eo, fa ny hijanonana eo amin’ny fitondrana aza no mampiasa loha azy ireo. Ampirimina any am-ponja ireo tsy mitovy hevitra aminy. Ampihorohoroana sy rahonana izay mbola mitabataba. Dia mandeha ny lazon’ady. Milavo lefona izay tsy mahazaka, manaiky ny fanonganam-panjakana sy ny famotehana ny firenena sy ny zava-doza rehetra naterak’izany ary ka dia manatevin-daharana ny mpanompo ny mpitondra. Hany ka toa teny fandatsana ny Malagasy sisa ny hoe : fitiavan-tanindrazana sy hambompom-pirenena, fa efa nandohalika hozanahina indray ! 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

  • Mamafy rivotra !
  • Zoma 11 Septambra 2026

Fomba firesaka ifandovan’ny

Hijery ny tohiny
FTT