Edito

Milamindamin-dratsy ?


  • Zoma 11 Novambra 2011

Mizotra tsimoramora any amin'ny fametrahana ny fitoniana ny fitondrana tetezamita indrindra moa fa taorian'ny nanateran'ny ankolafy Ravalomanana sy Zafy Albert ary ny Monima ny lisitr'ireo olona ho kandida minisitra natolotr'izy ireo.

 Roa herinandro teo izany no nisian'ny fifandresen-dahatra dia izao miravona izao ny disadisa tamin'ny fanendrena ny praiminisitra Omer Beriziky. Manaiky azy izany ny ankolafy politika rehetra eto an-toerana ary mankato azy koa ny sehatra iraisam-pirenena. Ho avy eto amin'ny herinandro ambony ry Marius Fransman sy ny ekipany hanatrika ny fanendrena ireo minisitra, tsy misy mihemotra intsony izany manomboka eto fa dia roso ny dia. Ny mbola ankamantatra fotsiny izao dia ny hoe : ahoana sy ahoana marina moa izany no hitsinjarana ny toerana, indrindra fa ireo ministeran'ny fiandrianam-pirenena 5 dia ny fiarovana, ny raharaham-bahiny, ny tetibola sy vola, ny fitsarana ary ny angovo. Ireo mantsy no tena atao hoe kitro ifaharan'ny fampandehanan-draharaham-panjakana ary mampilendalenda ny rehetra. Dimy ny isan'izy ireo, roa avo henin'io anefa ireo ankolafy politika nanasonia ny sori-dalana.

Fa ankoatr'izay dia tahaka ny mbola misy zavatra manjavozavo ihany amin'ity lisitra mitambatra naterin'ny ankolafy Ravalomanana sy Zafy ity. Nandeha ny resaka hatry ny omaly fa tsy manaiky an'io i Marc Ravalomanana ary toa hoe tena tezitra mafy amin’ireo olony, niara-nandrafitra ny lisitra tamin'ireo olon'ny profesora Zafy Albert. Ka asa hoe hanao ahoana indray ny ho tohin'ity raharaha ity, tena izy ve le izy sa sinema tahaka ny fanaon'ny mpanao politika ? Tsy mifankahazo marina ve sa mody miady fa efa tetika politika ireny, sa ve tena voahilika ka ho tavela any Afrika Atsimo marina Atoa Ravalomanana ary tsy naharitra intsony fa dia nanaiky ny toerana nampanantenaina azy amin'izay ireo lohandohan'ny mpisorona ao amin'ny ankolafy Ravalomanana ka hiditra anatin'ny sambo fa efa reraka ny mitazana ety ivelany ? Iza no tena mahazo tombotsoa amin'izao fitsimbadihan'ny raharaha izao ? Mbola maro be tahaka izany ireo fanontanianana manitikitika ny maro ao anatin'izao sangodim-panina politika izao. Hilamina amin'izay ve ny toe-draharaha sa mbola vao miha hihenjan-droa ny tady, ireo tena mpanohana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana dia manitrikitrika fa mila mody eto Madagasikara i Dada mba hiatrika ireo adihevitra rehetra satria mety maro ny zavatra miova na tsy mandeha araka ny tokony ho izy rehefa olon-kafa foana no irahana. Tena mbola ho raharaha ity an !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT