Edito

Milamindamin-dratsy!


  • Zoma 04 Aogositra 2023

Milamindamin-dratsy! Fomba fitenin’ny malagasy io ary azo lazaina koa hoe fahatsapana manoloanana zava-misy efa

iarahany mahalala fa tsy milamina nefa toy ny milamina anaty fotoana fohy nefa tsy voafetra izany ny fahatsapany azy. Nialohan’ny fipoahana krizy maro teto amin’ny firenena dia saika nahatsapana izay rivotra politika toa milamindamin-dratsy izay avokoa! Iaraha-mahalala amin’izao fotoana izao ny zava-misy eto amin’ny firenena, raha politika no resaka, fa ifandroritana ny resaka fifidianana sy tetezamita. Etsy am-pitan’izay anefa ny tranga aty Afrika dia io iaraha-mahita io ny fanonganam-panjakana tany Niger izay iombonany sy ifanohanany amin’ireo firenena afrikanina hafa manodidina azy toa an’i Maoritania, Burkina faso, Alzeria, Mali hatramin’ny firenena eoropeanina toa an’i Rosia. Misy amin’ireo mpandinika sasany moa no mihevitra fa mbola variana amin’io olana goavam-be mahazo azy io aloha ny frantsay ka tsy dia mahafantoka loatra amin’ny fifehezany an’ity Madagasikara ity, raha vantanina ny resaka. Fitenin’ny mpanjanaka antsika fahiny rahateo, mba tsy hilazana hoe “mpanandevo”, ny hoe “calme avant la tempête”. Iza moa no nanampo fa ho avy tampoka ny fanonganam-panjakana tao Niger tao? Sanatria haka maodely ireo firenena afrikanina ireo koa ve ny eto amin’ity firenena efa rotika taorian’ny lazaina fa voka-pitolomana maro toy ny tamin’ny taona 1972, 1991, 2002, 2009 ary mbola saika nitohy tamin’ny 2018 ity? Ny hamisavisana ny ratsy, hono, hiavian’ny soa!
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT