Tsy hita izay handraisana ny zava-misy amin’izao fotoana ary mampametra-panontaniana ny tena fahefan’ny FAT marina.
Toa mihodinkodina an-toerana ihany ny ao anatiny ary na izy samy izy aza tsy mifanaraka raha ny resaka etsy sy eroa no jerena. Tsy takona afenina intsony ny fifandirana eo amin’ny samy «deba» izay samy te ho lohany amin’ny fitantanana ny firenena sy ny famenoana ny paosy. Firifiry ireo mbola manorina trano vaovao ihany amin’izao fotoana izao. Olona anaty fitondrana no resahan eto na fianakaviana olona ambony. Tsy azo adinoina ilay fanambarana navoakan’ny filankevitry ny minisitra, herintaona latsaka kely lasa izay, hoe mila mifehy kibo isika rehetra, ka voalohany amin’izany ny mpitondra fanjakana, tsy tokony hisy hividy fiara na hanorina trano na hivezivezy any ivelany afa tsy noho ny antony arak’asa tena mazava. Mahagaga anefa fa na ny fivoahan’ny filohan’ny FAT na ny an’ny praiminisitra, na ny an’ireo minisitra sasany sy olona ambony ao amin’ny ministera dia tsy mazava tsara. Misy ihany ny fanambarana ofisialy saingy tsy maharesy lahatra hoe tsy maintsy natao ilay dia. Nisy aza no niala sasatra sy mba naka aina kely, hono, fa miala ny krizy sy ny gidragidra lava eto Madagasikara. Dia tena gaga ny valalabemandry hoe roa taona latsaka kely tao anatina fitondrana tetezamita ry zareo dia efa afaka miala sasatra any Eoropa miaraka amin’ny fianakaviany. Dia tena misy marina angamba ary tsy lany laniana izao volan’ny FAT izao, hoy ny mpandinika ety ivelany.
Eo amin’izay resaka vola izay ihany dia misy siosion-dresaka nanomboka nivoaka indray, andro vitsivitsy izao, fa misy olana ao amin’ny banky iray eny Antaninarenina eny. Toa misy olana, hono, ny solosaina. Mialoha io dia efa nandeha be ny feo fa nisy vola tao anaty valizy maromaro navoaka tao. Zavatra tena nisy sy nitranga ve izany sa honohono sa mifanakaiky amin’ny tena marina ? Ho hita eo ny ho tohin’ny raharaha fa ny azo ambara fotsiny aloha dia mety mba hianjadian’ny krizy tahaka ny sehatr’asa rehetra eto amin’ny firenena koa ilay banky. Efa nisy fitokonan’ny mpiasa rahateo ary efa nivoahana feo fa toa hoe misy baiko sy teny midina ihany indraindray.
Nisy ihany koa ny gazety mpiseho isan’andro iray teto amintsika no nilaza fa nisy minisitra iray naka vola be tao amin’ny Jirama. Tena malaza amin’io aferafera sy resa-bola io ireo olona anatin’ny fitondrana tetezamita amin’izao fotoana, saingy ny mahagaga dia tsy misy voaenjiky ny fitsarana izy ireo, fa raha vao voatonontonona amina raharaha iray dia miondrana kely miala sasatra any andafy aloha, dia toa mangina ilay raharaha dia miverina eto indray dia milamina ny fiainany e ! Ny vaovao nisy tato anatin’ny herinandro ihany koa no nahafantarana fa toa hoe nanana lisitra misy ny anaran’ireo olona ambony eto amin’ny firenena tafiditra ao anatin’ny raharaha andramena i tompokovavy Nadine Ramaroson. Maro be ireo resaka mandeha etsy sy eroa manambara ny tsy mety sy ny gaboraraka ataon’izao fitondrana tetezamita izao ka manomboka tena mankaleo ny olona satria hita mibaribary ilay fanangonan-karena amin’ny tsy rariny sy ny fanaparam-pahefana etsy sy eroa. Fa na dia eo aza izany rehetra izany dia milamina ivelany ny FAT, mety efa mafy lamosina sy manana mpiaro matanjaka tokoa angamba ka tsy manahy ny amin’ny ampitso e !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.