Edito

Milalao kizo


  • Alatsinainy 02 Novambra 2020

Fisakanana fivoriana tsy anaty trano, fananganan-javatra miteraka adihevitra maro mifandona, fanatontosana drafitra tsy mifanaraka amin’ny zava-misy toy ny hoe anaty fahamehana ve no tokony ho laharam-pahamehana ny fizarana faritra na fananganana kianja filalaovam-baolina etsy sy eroa?

 Tsy sanatria fanambaniana ireto tranga miisa 2 malaza farany ireto fa mora takatra kosa angamba fa tsy hiantraika mivantana velively any anaty vilanim-bahoaka izay miha foana andro aman’alina noho ny fahasahiranana maro naterak’ity krizy ity izao. Ilay iray voalaza voalohany kosa dia toy ny efa zava-niainana hatry ny ela zary mahatsikaiky ihany indraindray. Izay fitondrana rehetra nifandimby samy nandalo an’io karazam-panakanana io avokoa nialohan’ny nahatafakatra azy teo. Samy niaiky daholo fa tsy demokrasia, fanohitohinana ny fahalalahana maneho hevitra, famoretana vahoaka sy ny maro hafa nilazana azy tamin’ireny fotoana nangoleny ny mpanaradia azy ireny ny tranga toy izao kanefa dia mahagaga fa arakarak’izay hiakaran’izy ireo eo amin’ny fitondrana no vao mainka hanaovany ilay fa tsy mety noho ny nataon’ny teo alohany. Miteraka adihevitra izao ny resaka fananganana Colisée anaty rova sy ity fanerena distrika sasany hiaraka amina faritra tsy maharesy lahatra ireo tena voakasik’izany dia mbola hikirizan’ny fitondrana mijoro ihany anefa. Ny fifidianana loholona efa iaraha-mahita koa io ny fahalainan’ny mpandray anjara. Tsy ny mpanohatra ihany amin’io no mitabataba sy milaza fa tsy mifanaraka amin’ny lalampanorenana ny daty, toy izany koa ny resaka endrika sy votoaty satria mbola tsy tontosa hatramin’ny farany ny resaka kaominaly. Moa va misy mihaino sy mitsakotsako izany rehetra izany ny any ambony any? Io iaraha-mahita ho mbola milalao kizo io hatrany. Kizo satria azo antoka fa mbola hiteraka savorovoro sy tsy fifanarahan-tsaina fara faha keliny eo amin’ny samy mpiara-belona na koa eo amin’ireo hery velona misy eto amin’ny firenena indray. Enga anie mba tsy ho tonga amin’ny sanatria hanahirana noho izany.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT