ara-bakinteny ny atao hoe haizina mihitsy ve izao fotoana izao na izao fitondràna izao?
7 taona mahery izao, nijafajafa tamin’ny afitsok’ity delestazy sy olan’ny herinaratra ity ny fihariana maro. Toy izany koa ny fitaovana maro ao an-tokantrano. Tsy vitan’izay fa ny rano koa dia rehefa tsy misy dia ireny iarahan’ny mason’ny maro mahita matetika ireny ny lotony ivelany, izay mbola hizingizinin’ireo tomponandraikitra sasany eto amin’ity firenena ity ihany moa hoe ireny no antsoina hoe «rano madio» sy tsy misy atahorana. Io indray amin’izao fotoana izao, hatramin’ny niandohan’ity herinandro vaovao ity ny fifandimbiasan’ny hazavàna sy ny haizina, izay lasa tsy nisy fitsaharana intsony, raha ny hita teto an-drenivohitra omaly aloha, fa tsy marain-tsy hariva dia tapaka kely 3 minitra ilay herinaratra dia miverina kely 4 minitra na 2 minitra. Miverina maty 5 minitra indray dia miverina kely dia toy izay hatrany efa ho im-polo fara-faha keliny. Izany no tena hoe milalao haizina ara-bakiteny! Dia mbola hilaza indray koa ve avy eo ny matahotra ny ho very fihinanana sasany fa tsy misy idiran’ny minisiteran’ny angovo ity olan’ny JIRAMA ity? Tranga ara-bakiteny moa izay voalaza izay fa iarahan’ny rehetra mahita koa ankehitriny ny mbola tsy fangaraharahana, mba tsy ilazàna hoe fahamaizinana, raharaha maro eto amin’ity firenena ity, raha tsy hilaza afa-tsy ny raharaha Ambohimalaza sy «triple 7». Ny resaka fitantanana ny famatsiana maherin’ny 900 tapitrisa Euro mahery tamin’ny COVID 19 sy ny teo anelanelan’izany na ny taloha sy taorian’izay izany efa tsy resahana akory. Tsy iverenana tanisaina intsony satria zary tantaram-pirenena sisa izany hatreto aloha. Misy fotoana lasa mihitsy ny saina hoe lany atao ve ity fitondràna ity no dia hatramina lanonana fametrahana samboadina olom-boafidy avy no hita ho sakanana? Izany tsinona no nitranga tao Mahajanga farany teo izany. Tsy hoe resaka hetsi-bahoaka akory na famoriana politika araka ny famaritan’ireo tomponandraiki-panjakàna sasany ny atao hoe politika fa dia izany. Tsy hoe tsingerintaonan’ny TIM na RMDM, izay lazain’izao fitondràna izao fa malemy nefa hankalaza tsingerintaona avy dia atahorany toy izany fa resaka fametrahana samboady. Maizina amin’ny mpanara-baovao ny tian’ilay fitondràna ahatongava. Maizina satria tsy mangarahara ny fomba fitantanana. Maizina, tsy tazana hatramin’izao hoe aiza ihany ary ilay fampandrosoana? Milalao haizina ara-bakiteny sy ara-tsarinteny izany isika hatreto!
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.