Edito

Milalao daomy tampina !


  • Zoma 18 Mey 2018

Raha fehezina ny nambaran’ireo mpahay lalàna mikasika ny toerana misy ny filoham-pirenena malagasy amin’izao fotoana izao dia efa tampina tanteraka ny daomin’ny fitondrana HVM.

 
Eo ny andininy faha-167 ao amin’ny lalàmpanorenana izay mamaritra ny amin’ny tokony ho nametrahany ny fitsarana avo tamin’ny taona 2014 saingy tsy tanterany hatramin’izao fotoana hifaranan’ny fe-potoam-piasany izao. Ao koa ny fandikan-dalàna samihafa izay noporofoin’ny ankolafy maro ka nofehezin’izy ireo tamin’ny hoe kolikoly avo lenta. Efa mazava fa raha mbola lavina amin’izao ny fampiatoana ny filoham-pirenena amin’ny asany, satria tsy misy sazy voatoakana ho azy afa-tsy izay, hoy hatrany ireo mpahay lalàna, dia hampametra-panontaniana hoe mbola azo harenina ho tany tan-dalàna ve i Madagasikara ? Milalao daomy tampina ary mbola mikiry hanao izany hatrany koa ny fitondrana HVM raha hiala bala amin’ny tsy azo alana toy itsy voalohany ny filohan-drafitra hafa, toy ny an’ny antenimierandoholona sy ny praiminisitra satria tsy hisy afaka hitarika izay governemantan’ny marimaritra iraisana hiainga eo raha tsy misy afaka manendry ny praiminisitra. Efa mazava ao anaty lalàmpanorenana hatrany fa ny antenimieram-pirenena, izany hoe, ireo depiote, dia afaka mamoaka izay ho praiminisitra vaovao. Ny toe-draharaham-pirenena efa iaraha-mahita sy mahalala fa tsy hiarina amin’izao fisafotofotoana izao. Ny sehatra rehetra izay lazaina toa mijotso avokoa. Noho izany, misy olon-dehibe handrasana ho tonga saina sy hahay hipetraka ho raiamandreny ao. Iza sa ry iza tokoa re no tokony hiala ee ?

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT