Milalao afo!

Milalao afo! Izay ankehitriny no azo ilazàna ny fihetsika


  • Alakamisy 26 Septambra 2024

politikan’ireo mpanao politika eto amin’ity firenena ity, indrindra moa fa ny eo anivon’ny fitondram-panjakana.

Ity farany izay azo lazaina hoe nanao izany nandritry ny fotoana ela ihany tamin’ny alalan’ny mbola tsy fitondrana vahaolana mivaingana amin’ny lafim-piainan’ny vahoaka malagasy rehetra izao. Tsy menatra namitaka tamin’ny alalan’ireo fampanantenana samihafa toy ny hoe afaka 6 volana no ho afaka ny delestazy. Aiza ihany izao ilay lala-maro zotra na «flyover» nambara tamin’izany fotoana izany fa hamahana ny fifamoivoizana mampikaikaika an’Anosizato sy ny manodidina azy iny? Aiza ilay Tanamasoandro? Aiza ilay Ambatondrazaka ho lasa toa an’i «Paris» sa hitadiavana fanalavana vinaninany tampoka eo toy ilay hoe MIAMI ao Toamasina indray? Aiza ny vahaolana maharitra mikasika ny olana eny amin’ny oniversite, ny olan’ny fanabeazana, ny olan’ny mpiasam-panjakana, ny olana eo amin’ny tontolon’ny asa malagasy manontolo mihitsy? Fahaleovantena ara-tsakafo no nilokalokana nefa toa fanafarana hatramin’ny vary indray aza no nitranga farany teo? Izao izany dia ho ampiroboroboina indray ny voly vary safiotra, izay maodely nalaina tamin-dry zareo sinoa. Niodina tamin’ny fampanantenana hatrany ny fiainam-pirenena malagasy tao anatin’ny 15 taona mahery. Tao ny fampanantenana ity fiara an-dalamby aingam-pandeha isan-karazany ity toy ny «tramway» sy ny tahaka izany. Tao ny fampanantenana vidina menaka midina ho 2500 Ariary ny litatra. Ny vary 1 kapoaka ho 500 Ariary. Hatramin’izao dia nijanona ho fampanantenana moa izany rehetra izany ary mitohy aty amin’ny resaka hotely kintana 5 sy ny tariny rehetra aty.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT