Edito

Milalao afo


  • Alarobia 14 Septambra 2022

Miaina ao anaty tsy fahamarinan-toerana amin’ny lafiny rehetra ny firenena Malagasy. Ny mpitondra sisa no mbola manana ianteherana, tsy manahy ny ampitso raha ny vola aman-karena,

fa efa any an-tenda kosa ny aina raha amin’ny lafiny politika satria manahy mafy ny ho very fihinana. Efa mitady ho lasa fahazarana ny tsy fanjariana, fahasahiranana, fahantrana,… ho an’ny sarambabem-bahoaka. Tsy taitra firy intsony ao anaty filomanosana ao fahantrana ve ny Malagasy maro an’isa ka zary hararaotin’ny mpitondra? Mbola sahiny mantsy ny milaza fa tsy misy krizy eto, lalaoviny ny serasera fa mbola mandeha ny asa fampandrosoana,… Asa na mba misy mpanolontsaina mahitsy sy tsy misorona ihany ao an-dapa ao mba hipetraka ho arofanina fa efa tena ambony dia ambony anie ny maripana amin’izao, efa tena ratsy dia ratsy anie ny tondro, ho henjana anie io raha mirefotra eo,… Toa feno “mpisolelaka” faly ny hiteny fotsiny angamba fa tena mbola mety izao Atoa Filoha, mbola betsaka ny mpanohana, mbola ho lany ianao,… Manampy trotraka izany, mbola betsaka ireo manam-pahefana manao ny tsy fanao na ara-pitondran-tena na ara-pitantanana. Ny sasany mbola sahy milalao afo politika, tena manondraka menaka ao anatin’ny afo efa midedaka, mietraketraka, manao kely tsy mba mamindro, mieritreritra tsy ho tratry ny aloka,… Toa mietritreritra ny tsy ho tratry ny aloka mihitsy ve ka na ao anatin’ny fotoana tokony efa mba hipiripirimana sy hanonerana ny tsy mety natao aza dia mbola avo vava manao gisalahy mangala-ketsa? Firifiry ny volam-panjakana voahodinkodina eto dia mba manam-pahefana firy no tena mba voakitika? Ny orinasam-panjakana banky ropitra, ny karaman’ny mpiasa tsy voaloha, ny harem-pirenena miondrana antsokosoko, ny tany tsy milamina, ny vahoaka miha fadiranovana,... Mihevitra ve ny Mpitondra fa mankasitraka an’izany ny maro an’isa ary resy lahatra tokoa amin’ny asa fampandrosoana matoa mangina? Mieritreritra ve fa mahomby ity karazana don-tandroka hafahafa ataon’ny lehiben’ny manam-basy toa efa mampioman-javatra sy mahana tsy henjehina ity ?
Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT