Efa hita, hono, ny fanafody kanefa ny marary rehefa jerena vao miha mitombo. Ilay fanentanana tsy hivoaka ny trano moa izany efa naman’ny tantara sisa.
Efa nirosoana rahateo koa moa ny fialana tsikelikely amin’izany ka tsy dia atao mahagaga ihany. Ny filoham-pirenena misarika hanoy lalana miankavanana, ny mpandray baiko kosa mizotra miankavia. Izay hatrany aloha no sary nisongadina tao anatin’izay 2 volana nametrahana ity ahamehana ara-pahasalamana ity izay. Rehefa ny vahoakanao, hoy ilay filoham-pirenena teo aloha izay, no tsy manaraka izay lazainao intsony dia mba tongava saina ihany. Miharihary ankehitriny fa tsy voafehin’ny fitondram-panjakana ny fitantanana ity ahamehana ity sy ny fitsinjovana ny fahasalamam-bahoaka mba tsy hilazana hoe ny ainy. Ny tena tokony ho laharam-pahamehana hamaivanina, hoy ny solombavambahoaka iray izay, raha mahita ny tsy firaharahiana loatra ny aretina Dengue, izay efa nahafaty malagasy an-jatony, sy ny tsy firaharahiana loatra ihany koa ny Tazomoka, izay efa nahafaty maherin’ny 400 isa. Fihetsiketsehana koa anefa Ambohimamory, ara-bakiteny, hany ka ny vokany dia vao miha mitombo ireo mitondra ilay otrikaretina izay tena hankalazaina fa ady iombonana. Fepetra sady mampikatso ny toekarena no vao miha mampitombo ireo marariny, araka ny voalazan’ilay solombavambahoaka iray hafa, no hita fa apetraky ny fitondram-panjakana hatreto. Soa ihany tokoa ary hisaorana Ny Avo fa tsy mbola nisy maty aloha izany, raha ny tarehimarika ofisialy. Na izany aza dia azo lazaina ho milalao afo hatrany isika sy ny mpitondra antsika amin’ity fihetsika samy maka tsy taitra sy tsy mivaky loha ity. Ny mpitondra moa, arak’ilay vazivazy zaritenany efa fandre matetika saingy toa tsy raharahiany, dia mampirisika hanao tsy hazoto hivoaka ny trano na hijanona ao an-trano mihitsy saingy miantso isan’andro hitangorona hilahatra karazana fanampiana kosa. Ny vahoaka anefa iaraha-mahalala.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.