Edito

Milalao afo


  • Alakamisy 05 Aprily 2018

Tsy mbola naheno ny angano momba ny Vorombola sy ny Voahangy rarak’Ikotofetsy sy Imahaka ary ve izao fitondrana izao no dia mbola sahy milalao afo ihany ?


Tsy efa lesona naneho fa misy fetrany ihany koa ny herin’ny vola ve ireny niseho tamin’ny krizy nifanesy teto amin’ny firenena ireny no dia mbola averina io ihany ny tantara ? Izay tokoa angaha ilay voalazan’ny manampahaizana hoe ilay roalahy voalaza teo no lovantsofina nitaizana ny fiarahamonintsika ka dia samy mihevitra ny tenany ho mahay maka sy fetsy daholo ireo rehetra manambaka vahoaka ao an-dapa ao. Na dia ny vahoakany koa aza moa toa manao azy ho filamatra sy miha tsy mahay mifamelona intsony. Tsara ampatsiahivina ihany angamba fa na dia nosesefana vola sy voahangy ary volamena maro  aza ilay vorona nohazain’Ikotofetsy sy Imahaka tamin’ny fotoan’androny dia ritra ihany rehefa ela ny ela ary izy mirahalahy indray avy eo no nohazain’ny fiarahamonina. Firifiry moa ireo mpitondra mbola nandova ny tantara teto ? Samy nilaza ny hanova ity nosy ity ho manjopika avokoa tany am-boalohany kanefa nony nahazo toerana dia ny mandatsa vahoaka amin’ny filalaovana ny hoaviny sy fandanian-dalàna kimaimaika hatrany no natao rehefa voalaza fa nahazo volabe. Mihevitra ny vahoaka hanaiky tsindry hazo lena hatrany ary ve izao fitondrana izao na dia efa nahita ny nafitsony nanomboka tamin’ny 1972 ka hatramin’ny 2009 aza ?

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT