Edito

Mila vahaolana e !


  • Alarobia 06 Jolay 2016

Hisy ve ny fifampidinihana sa hanao be marenina hatrany ny fitondram-panjakana ? Ho fantatra anio izay tena marina momba ilay fehezan-dalàna momba ny fifandraisana eto Madagasikara.

Mihazakazaka ny toe-draharaha, miditra ao anatin’ny resaka ny sehatra iraisam-pirenena amin’ny alalan’ny sampandraharahan’ny firenena mikambana momba ny fampandrosoana (PNUD) izay hihaonana amin’ny mpanao gazety sy ny minisiteran’ny serasera izao maraina izao. Hisy fiantraikany amin’ny fanapahan-kevitra eny Tsimbazaza ve izany sa tsia ? Re halina fa mety ho vonona hilefitra amina teboka vitsivitsy ny fanjakana. Iny eo ihany fa ho ampy ve ny fe-potoana hivorian’ireo solombavambahoaka hamoaboasana sy handinihana ary hiadiana hevitra momba ity lalànan’ny fifandraisana ity ? Tsy azo adinoina fa ao anatin’ny fandaharam-potoana eny Tsimbazaza koa ny fandinihana ny volavolan-dalàna momba ny fampihavanam-pirenena izay tena goavana ary antoky ny fitoniana eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Mety samy manana ny fomba fijeriny ny an-daniny sy ny an-kilany. Ny olom-pirenena tsotra moa dia tahaka ny omby mijery flôra ihany satria tsy mahalala ny andinindininy momba ity resaka ity, izay saropady tokoa ary tsy azo hanapahan-kevitra noho ny fihetseham-po. Tsy mainsy karohana anefa ny vahaolana fa raha hifanasa vangy eto dia hihombo hatrany ny fahasahiranana ka azo antoka fa hiafara amina zavatra ratsy kokoa noho ny efa misy.

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT