Edito

Mila vahaolana


  • Alakamisy 19 Mey 2022

Olan’ny oniversite, mitady ho lasa olan’ny firenena tsy ahitam-bahaolana mahomby.Firifiry kosa izay hetsika sy fitakiana izay dia mbola tsy fatatra ihany ve hoe aiza no fototr’olana.

Io famahana ny olan’ny ambaratonga ambony io no tenna tokony ampisehoan’ny filoham-pirenena ankehitriny hoe ho vitaintsika ao anatin’ny 5 taona izay tsy vita tao anatin’ny 60 taona, araka ny teniny.Karama, tmbin-karama, vatsim-pianarana, fampitaovana, fanatsarana ny fampianarana..miodinkodina eo foana ny fitakiana ary tsy dia tena misy hoe zava-baovao, izany hoe tokony efa fantatra mialoha.Ka inona no tsy hikarohana vahaolana haingana raha hanova zavatra marina araka ireny propagandy tamin’ny 2018 ireny . Tsara ny manangana trano fa mila karakaraina ihany koa ny olombelona hipetraka na hiasa, na hianatra ao anatiny. Ny manahirana eto Madagasikara ankehitriny dia be loatra ilay teny sy fehezanteny avoaka, saingy any amin’ny asa dia manify mba tsy ilazana hoe tsy misy fa poakaty. Tsy vita mihitsy ve ny mandanjalanja azy io , tsy mba mandinika ve aloha vao miteny.Azo atao koa ny manontany na maka hevitra any amin’ny hafa, sa tsy mety izany fa mahamenatra na sanatria heverina fa manambany tena. Any amin’ilay fanetren-tena mihitsy anefa no tena ilaina ary mandamin-javatra io; saingy indrisy fa toa gisa maintsy izany rah any mpitondra ankehitriny no jerena.Dedaka iray trano no sady tsy te hahalala ny hafa, ry zareo moa izao no eo aloha dia ataony izay tiany .
RTT
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT